13/12/2007

Mianatra FAA

Salama daholo.

Hanoratra momba ny fianarana FAA aho anio fa tsy mbola afaka hiditra @ vontoantom-pikarohana ato @ i@HEP-MAD.
Ho tohin'ny vaovao farany anefa dia nivaly io hariva io ny fanadinana A.E.A sokajy Fizikan'ny aty matiera sy Fizikan'ny avo angovo. Afaka soamantsara ireo mpianatra-mpikaroka i@HEP-MAD, izay nitazona ny laharana roa voalohany sy ny afovoany. Ho azy ireo indrindra ary ho an'ireo rehetra te-handalina ny taranja FAA no miantefa ity lahatsoratra ity.
Raha ny tokony ho izy dia manomboka @ fianarana ny fihaonan’ny olona iray @ FAA satria mitaky fahalalana teorika – matetika indrindra omena any am-pianarana – ny fanaovana ny FAA. Araky Gerard 't Hooft, mpifizika ao @ Institute for Theoretical Physics, Universiteit Utrecht (the Netherlands), anefa dia tsy voatery miandry ny fidirana eny @ anjery manontolo ny fianarana FAA satria efa maro ireo fahalalana azo ratovina malalaka @ tranokala.

Famaritana. Mianatra dia mety midika hoe miezaka ny hahazo fanazavana iray ka mampiteraka fanazavana manokana ho an’ilay mpianatra. Azo anampina io famaritana io koa anefa ny famolavolana fanazavana miainga amin’ireo tsapa. Raha jerena avy amin’ireo famaritana efa natao dia mitovy @ fandrindrana ihany ny fihezahana mahazo raha faritana toy izao:

Fian^0 : Teny --> Hevitra,
Fian^1 : Fanazavan'ireo mpampianatra --> Fanazavana manokana.

Araka izany, ny fianarana FAA dia midika ho fanamboarana ireo mandray roa Fian sy Fiz. Na miteraka ’fitoviana’ eo @ ireo fanazavana manokana aza ny fampiasana ny fandrindrana iraisambe toy ny Matematika dia asa manokana ny mianatra satria samy manana ny fandrindrany ireo fanazavan’ny mpampianatra ny mpianatra tsirairay.
Ohatra, misy mpianatra A mahita fa ny rafitra matematikan’ny Teorian’ny saha voafatra (TSV) no manan-danja nohon’ny famoahana refy teorika sy fampitana izany @ refy fanandramana, ary mpianatra B mahita mifamadika @ izany. Hisy fahasamihafana lehibe ny fomba fianatr’izy ireo ny TSV sy ny lanja homen’izy ireo io teoria io eo @ FAA. Rehefa hianatra TSV izy ireo, ilay mpianatra A hiezaka hianatra matematika sy fizika teorika kokoa ary ilay mpianatra B mety hianatra fizika teorika sy haitranga (phenomenology) kokoa.

Ireo hianarana. Anisan’ireo mila hianarana @ FAA :
ny hevitra miasa sy ny famaritana ny Tontolo fizika. Raha tsotsorina dia azo oharina @ sarimihetsika iray ny tantaran’ny tontolo fizika ka ireo hevitra miasa fizika no kiolona (role). Iza no ireo mpilalao? Valiny: ireo tsapa;
ny fitsipika sy ny modely fizika. Ireo fitsipika fizika no mamaritra ny lalaon’ireo hevitra miasa. Lazaina fa mazava ny lalao rehefa mirindra ny fihetsem-po ny mpijery sy ny lalao.
ny famahana olana fizika. Rehefa afaka mamaha olana fizika, izany hoe manome valim-panontiana mifanaraka @ tranga fizika, ny modely na teoria fizika iray dia afaka tohizana ny fandalinana azy. Tsy midika izany fa tsy tokony halalinina ireo modely fizika tsy mahavaha olana (mazava ho azy).

Fomba fianatra. Fomba fianarana mety ny fanasokajiana ireo hevitra sy fitsipika hianarana, izany hoe fandaharana manaraka ny lanjany ireo hevitra sy fitsipika hita. Ny fandaminana ny fotoana sy ny toerana hianarana dia dia antoka lehibe iray @ fandratona ny fahalalana.
Fotoana sy toerana hianarana. Ny fandehanana an-tongotra (ohatra rehefa mody na handeha any am-pianarana) dia toerana sy fotoana ahafahana mametraka soritr’asa, izany hoe fanomanana ireo fianarana tiana hifantohana atoato, sy fisintonana hevitra tiana ho halalinina. Matetika dia eny am-pandehanana no hamolavolana ireo fijery ankapobeany momba lohahevitra iray. Ny fitsorana ao am-pandriana dia manampy @ fisainana miadana momba kajy na fandalinan-kevitra mety ho an-tenany na lavitr’ezaka ary hamifisin'i A. Connes eto izany. Farany, ny fianarana eo @ latabatra dia fomba ahafahana mandrafitra ireo hevitra an-tsoratra ary fomba fanaovana asa soratra @ ankapobeany. Matetika dia fanarotana ambony latabatra no hanamboarana ireo kajy na porofo (an-tsoratra).
Fandrindrana ny votoantom-pianarana sy ny fotoana. Azo fehezina @ ity fanoharana manaraka ity io fomba fiasa io. Misy entana enin-lafy maromaro, manana halehibe isan-karazany, mipetraka @ toerana samihafa, izay mila hangonina @ toerana iray. Maro ireo fomba fanangonana azo atao ary vitsivitsy amin’izy ireo no mahomby (haingana, tsy manimba zavatra, sns). Ny entana eto dia manambara ny votoantom-pianarana, ny halehibe dia mety manambara ny fahamoran’ilay vontoantom-pianarana na ny maha-fototra azy, ny (fomba) fanangonana dia manambara ny (fomba) fianarana.
Ny fanoratana. Mety raha raisina an-tsoratra ireo fianarana rehetra atao satria manampy ny fanazavana sy ny entitra ny fanarotana ny eritreretina, mora ampiasaina sy hiverena ny soratra aty aoriana, mora ampitaina ny hevitra ny soratra satria @ alalany matetika no ahafahana milaza @ fomba hentitra ny hevitra voavolavola. Rehefa manoratra fehezan-kevitra iray dia tsara raha arahina fehizan-teny manambara ilay hevitra sy manazava izany.
Tsy maintsy atao ny fandraisana an-tsoratra ireo kajy na fanamarinana rehetra natao mikasika lohahevitra iray satria mitaky ireo porofo ireo hatrany ny mpihairaha manodidina (mpampianatra-mpikaroka, mpampianatra-mpitarika, mpitsara asa soratra, gazety hairaha). Araka izany dia mila mahay manoratra mba ho voarakitra ao anatin’izay voasoratra ny hevitra feno tiana hambara. Anisan’ny fomba fanoratana mety ny fandaharana tsara ireo teny, indrindra rehefa lava ny fehezan-teny soratana.
Ny famakiana lahatsoratra. Fomba fianatra lehibe ny famakiana asa soratra fampianarana na fikarohana @ taranja FAA. Rehefa te-handalina lohahevitra iray @ alalan’ny famakiana dia toy izao ny fizotra-pamakiana afaka arahina:
- ny famakiana fijery ankapobeany, ahazoana mametraka ilay lohahevitra ao anatin’ny tontolo-kevitra lehibe kokoa – ara-tantara, ara-olona (ireo mpikaroka mpitarika momba ilay lohahevitra), ara-lohahevitra (ireo lohahevitra mifandray, ireo lohahevitra manarona) – mba ahazoana fanazavana tsotra (tsy misy kajy firy) momba ilay lohahevitra. Santionany @ ireo toerana ahitana io karazana asa soratra io ny blog, ny tantaram-piainana mpikaroka mpitarika, ny fanehoan-kevitra mpikaroka ’azo antoka’ (Amin’ny ankapobeany dia ireto masotsivana ireto no miantoka ny mpikaroka: ny toerana nianarany, ny asa sorany an-gazety, ny toeram-piasana, ireo mpiara-miasany,ireo fanomezana azony. Karazana toeram-pikarohana FAA azo antoka – ao Eropa – IHES, MPI, Korteweg-de Vries Institute, Oxford, Cambridge, ICTP, – ao Amerika – IAS, MIT, Berkeley, Princeton, Stanford, Harvard, Columbia, CalTech. Ireo fanomezana azo antoka: loka Nobel, medaly Fields, loka Einstein, loka Abel.), ny arXiv;
- ny famakiana naoty bosy (lecture notes), ahazoana fanazavana lalina sy fohy (tsy misy porofo firy) momba ilay lohahevitra. Toy ny fianarana any an-dakilasy ny famakiana naoty bosy satria natao ampitaina any an-dakilasy izy ireny. Toerana mety ahitana naoty bosy: naoty bosy misokatra (OpenCourseWare), tranokala-na mpikaroka, tranokalan’anjery manontolo, tohy @ blog, arXiv;
- ny famakiana boky, ahazoana fanazavana lalina sy feno momba ilay lohahevitra. Ny boky izany no firaketana an-tsoratra farany momba ireo fanazavana misy manodidina lohahevitra iray. Toerana misy boky: tranokala-na mpikaroka, tohy @ blaogy;
- ny famakiana sora-pikarohana: ahazoana fanazavana lalina sy feno ary fohy momba ilay lohahevitra, sy ahazoana manitatra ilay fanazavana. Gazety hairaha @ tranokala: arXiv, Euclid project, PROLA, Jstor. Marihana koa fa azon'ireo ivotoerana (fikarohana sy fampianarana) malagasy ny misoratra anarana @ tranokala Madagascar Digital Library, ahafahana miditra maimaim-poana @ ireo tranokala mitahiry sora-pikarohana andoavam-bola toy ireto.
Ny fitenenana. Araka izay mety, dia tsara raha fehezan-teny no lazaina. Ny fitenenana dia ahafahana manamboatra sy manazava fehezan-kevitra @ fomba haingana oharina @ fanoratana na ny famakiana; araka izany dia maro kokoa torak’izany ireo fehezan-kevitra voambotra sy voazava. Matetika dia azo hatsaraina hatrany ny teny lazaina, na ny hevitra ambarany, na ny firindran’izy roa ireo. Azo faritana tsikelikely izany ny fehezan-kevitra tiana hambara @ alalan’ny fanavaozana miandalana ny fehezan-teny lazaina; midika fampiasana fehezan-teny maromaro entina milaza ny fehezan-kevitra tiana hampitaina izany.
Ny fiaraha-mianatra. Ireo mpianatra any Be kintana Amerika dia manana fomba fianatra mandeha tsiroaroa. Mety ho tsara ho an’ny mpianatra FAA raha mamaritra fifandraisana sy fiaraha-miasa manokana isaky mpiara-mianatra sy mpampianatra, izay azo velomina isaky ny fifanenana. Afaka ampitovina ireo fifandraisana atao amina olona maromaro. Ireo fiaraha-mianatra sy fiaraha-miasa ireo dia mampitombo ny fanazavana azon’ny mpianatra satria mampiasa ireo fotoana ahazoana mianatra izany.

Mbola maro ireo lohahevitra tsy voasoratra momba ny fianarana FAA toy ny toe-tsaina enti-mianatra. Ho ezahana ny hanoratra momba io lohahevitra io @ manaraka.

12/12/2007

Vaovao

Salama daholo.

Maro ireo vaovao tato ato fa ho tsongaina izay tena nanamarika.

Eto an-toerana. Hivoaka afaka andro vitsivitsy ao @ tranokalan'ny eConf SLAC ny boky mirakitra ny velakevitra HEP-MAD 07. Ny eConf na Electronic Conference Proceedings Archive dia fitahirizana ireo boky mirakitra velakevitra momba ny FAA, izay vokarin'ny Stanford Linear Accelerator Center (SLAC). Ny boki-velakevitra (proceedings) ny HEP-MAD 04 dia napetraka tao @ eConf, izay marihana fa manana mpitsara (committie) ireo lahatsora-pikarohana tiana ho apetraka ao.
T@ iny herinandro ambony iny no nifarana ny taom-pianarana ho an'ireo mpianatra DEA Fizikan'ny aty matiera sy FAA (nuclear physics and HEP) eto Ambohitsaina. Ao aorian'ny valim-panadinana, @ ity herinandro ity, dia afaka hifantoka @ fianarana FAA ireo nisafidy izany na dia mbola miandry ny fandraisana fisoratana anarana DEA aza.
Farany, ilay tranokala serasera malagasy Tsenagasy dia nahitana adi-hevitra momban'ny fizika t@ iny herinandro iny. Momba ilay teorian'ny tady (string theory), malaza afaka nandravona ireo lalàn'ny fizikan'ny vainga bitika rehetra no noresahana ka nahitana resaka matotra (tsy matihanina) na dia eo aza ny hanihany.
Any ivelany. Raha tsorina dia ao @ blaogy Not Even Wrong sy Noncommutative Geometry sy ireo tohy ao no anarahako ireo vaovao any ivelany. Ho an'ny blaogy voalohany, ireo maresaka dia ireo fikarakarana isan-karazany (teorika sy ara-pitaovana) miembo-dava momba ilay ampifandonana vainga bitika LHC, ny fanarahana ny fikarohana ataon'i Edward Witten, manodidina ny teoria robo sy ny soritr'asa rafitsara Langands (geometric Langlands program), ny teorian'ny sintom-besatra voafatra (quantum gravity) sy ny teorian'ny saha voafatra (TSV) @ daka kely (low dimensional QFTs). Marihana fa E. Witten dia kalaza-lahy @ FAA teorika, izay mampiasa bebe kokoa matematika @ fikarohana ataony toa ireo lohahevitra voalaza etsy ambony, hany ka isaky ny mihetsika kely izy dia betsaka no mijery. Raha jerena akaiky dia momba ireo teoria fototra @ FAA (TSV, Teoria robo) sy ny fanomezana fototra matematika izany no tena ifotorana ka tsy mahagaga raha betsaka no manaraka izany satria isan'ny olana fizika matematika lehibe tian'ireo mpifizika vahana izany.
Ilay blaogy faharoa, fanoratr'i Alain Connes, kosa dia momba ny rafitsara tsy mivady (rtm) (noncommutative geometry (ncg)) no resahana matetika mazava ho azy. Ireo fitsipika sy fanamboarana fototra mifandray @ io lohahevitra io toy ny teorian'ny motifa (motives) sy ny fampiharana izany @ rafitsary tsy mivady. Voalaza matetika ao koa ny fisian'ireo velakevitra momba ny rtm etsy sy eroa, izay marihana fa efa tafiditra @ fomba fiasan'ireo mpikaroka any ivelany ny fanatrehana azy.

Hofaranana eto aloha ireo vaovao fa lohahevitra hafa avy hatrany no hanohizana azy.

10/10/2007

FAA eto @ i@HEP-MAD

Salama daholo.

Hiezaka ny hireseka fohifohy momba ny Fizakan'ny avo angovo (FAA) ataon'ny ivotoerana i@HEP-MAD aho.

(Tena) Fanombohany: Tamin'ny taona 2001 tany (t@ 2004 vao nitsangana ara-panjakana ny i@HEP-MAD) no fantatro nanombohana niresahana FAA teto Gasikara. T@ izany dia Profesora Stephan Narison no tonga teto nanantontosa ny velakevitra HEP-MAD voalohany (HEP-MAD 01), izay nahafahan'ireo mpianatra vitsivitsy liana @ Fizika teorika nihaona.
T@ io HEP-MAD 01 io moa dia tsy mahazo resaka firy (ny 70% eo) indrindra rehefa t@ teny angilisy ny lahateny. T@ izany no nijeren'ny mpanoratra akaiky izany hoe teoria robo Yang-Mills (Yang-Mills gauge theory), izay teoria entina mamaritra ny fifanetsehana eo @ tontolon'ny vainga bitika.
Nanodidina io vanim-potoana io koa no nanarahan'ny mpanoratra seminera malalaka momba ny Fizika teorika sy Fizika mattematika, izay natao iray isa-bolana teo ary nahitana indray ireo mpianatra liana voalaza etsy ambony. Anisin'ireo lohahevitra noresahana t@ io seminera io ohatra ny famadihana Lorentz (Lorentz transformations), ny alijebra maro-mifanampy, ny fimirana Hestenes-Dirac (Hestenes-Dirac equation) hita @ Mekanika Voafatra (quantum mechanics), ny teorian'ny isa (number theory), ny lasitra Lagrangiana @ teorian'ny saha kilasika (Lagrangian formalism in classical field theory), sns.

Tena fanombohana
: T@ vanim-potoanan'ny velakevitra HEP-MAD 04 no tena nanombohana ny handalinana ny FAA teto. Profesora Narison ihany no nanangona ireo mpampianatra sy mpianatra liana @ io fikarohana io. Anisan'ireo mpampianatra nikarakara : Profesora Georgette Ramanantsizehena, Profesora Roland Raboanary sy ireo hafa tsy hita mivantana, ary ireo "mpianatra": Dokotera Christian Rakotonirina, Dokotera Tsilavo Razafindrazaka (niserana ihany), Hanitriarivo Rakotoson, Herintsitohaina Ratsimbarison, Ranto Randriambeloson sy mpianatra vehivavy izay tsy tadidiko anarana.
Natomboka t@ fikajiana ny velara-dona (cross section) an'ireny fifandonana A+B --> C+D ireny ny fianarana natao, izay nanoratana fehiny tsotsotra.
Mbola nitohy hatrany ny seminera Fizika teorika sy Fizika mattematika t@ izany ary niampy (sy niala) ireo namana tao. Taty aoriana dia niampy ireo mpianatra nifandray t@ Profesora Narison, toa an-dry Mahatana Randrianarivony, ary teo koa ireo niala. Efa nisy ireo lohahevi-pikarohana nasain'i Profesora Narison nirosona toa ny Teoria Tamba-BE (TTB) (Grand Unified Theories), ny fahalalahana manara-tsisiny (asymptotic freedom) izay lasa asa soratra fianarana (thesis) mihitsy toa ity farany. Niampy hatrany isan-taona ireo mpianatra nanao fianarana-fikarohana tao @ i@HEP-MAD, ary nisy ny fandehana sekoly-fahavaratra (summer school) momba ny fizikan'ny vainga bitika tany ICTP (Trieste), sy ny fanampy kajy @ FAA tany CERN (Geneva).
Ny fomba fiasa t@ izany dia ny miasa irery no betsaka, ary teo @ iray isa-tapa-bolana teo no manao seminera; tsy nisy ny tabilao t@ voalohany fa ny rindrina no nanoratana, samy afaka mamelabelatra izay nomaniny ny tsirairay, nisy koa ny fiarahana ivelan'ny seminera.
Rehefa nandeha ny fotoana dia lasa nanao ny praograma diplaoma ICTP i Mahatana, ny teto an-toerana kosa dia namita ireo asa soratra fianarana ireo mpianatra D.E.A izay mikasika ny fandikana ny fifamaliana CP.

Amin'izao fotoana: Izao dia telo no mpianatra dokotera (roa no any ivelany), iray no mpianatra D.E.A, ary telo no mpianatra A.E.A, no mandrato fikarohana avy eto @ ivotoerana. Efa navaozina koa ny rafitra fitantanana na fikarohana; misampana telo izao ny i@HEP-MAD: ny sampana Lafiny Matematikan'ireo teorian'ny saha (Mathematical aspect of field theories), taritin'i Profesora Roland Raboanary, ny sampana Haitrangan'ny vainga bitika (Particle Phenomenology), iandreketan'i Profesora Adolphe Ratiarison ary ny sampana fizikan'ny tontolom-be sy ny haikosmosy (Astrophysics and Cosmology) iandrekatan'i Dokotera Charles Ratsifaritana.
Misy hatrany ny ezaka na eo @ fikarohana na eo @ fiharian'ny ivotoerana izay tanterahana @ alalan'ny seminera, ny fitadiavana fiaraha-miasa, ny fanantontosana hatrany ny velakevitra HEP-MAD, sns. Amin'izao fotoana izao koa no manomana voka-pikarohana momba ny FAA ny ivotoerana, izay ifandrombonan'i Christian, Herintsitohaina sy Hanitriarivo (CHH). Hantenaina fa hatafavoaka vokatra ireo mpifizika ireo, izay mety hatolotra @ velakevitra HEP-MAD manaraka. Amin'izany koa dia hantenaina fa hahavita ny fianarana dokotera ireo mpianatra roalahy eto an-toerana sy any ivelany (any Syracuse University). Amin'ny herintaona koa dia mety hihatsara ny fomba fiasan'ny ivotoerana momba ny fikarohana satria hisy ireo mpianatra DEA azo arahina @ lohahevitra hianarany.
Momba ny fiaraha-miasa ihany dia mikarakara fampianarana Mekanika fanandramana ao Kolejy Masina Misely Amparibe koa ny i@HEP-MAD @ izao fotoana, izay natomboka @ fanoavana lisitra ireo fitaovam-panandramana ananan'ny Kolejy sy famantarana ny fandehan'ireo fitaovana (tranainy) ireo. Ny tanjon'izany fampianarana izany dia ny fampahafantarana ny fiavin'ireo hevitra miasa fizika amin'ny alalan'ny fanandramana, sy ny fifehezana ny fampiasana ireo hevitra miasa fizika eo amin'ny sehatry ny fanandramana sy ny teoria. Hantenaina hotanteraka soa aman-tsara io tetik'asa io ary haharitra mba ho fanatsarana hatrany ny fampianarana Fizika eto Gasikara.
Momba ny fiaraha-miasa @ any ivelany moa dia manomboka mifandray @ ireo fiorenana (foundation) manohana ny fanabeazana sy Fizika fototra ny i@HEP-MAD mba ahafahana manangana ny trano foibe sy mametraka tambazotra internet ho an'ny ivotoerana.
Fehiny: mbola betsaka ireo asa miandry eto @ i@HEP-MAD.

Raha mety ny atao dia hiresaka momba ireo vontoantom-pikarohana eto @ i@HEP-MAD ny mpanoratra @ manaraka.

19/09/2007

HEP-MAD 07 (tohiny)

Salama daholo.

Araka ny nosaratana farany dia ity tohy ity no fandaharam-potoana mialoha ny velakevitra HEP-MAD 07.

Ireo lahateny: Azo sokajiana 10 ireo lohahevitra lehibe noresahina t@ lahateny (natao t@ teny angilisy) t@ HEP-MAD 07. Ny lohahevitra FAA sy ny mifandray akaiky aminy dia nahitana FAA teorika, FAA haitranga (phenomenology HEP), FAA fanampy kajy (computational HEP) ary lohahevitra matematika mifandray @ FAA. Marihana moa fa miendrika fampidirana sy fampianarana @ lohahevitra manokana (toy ny fizikan'ny LHC) ny ampahan'ny lahateny tsirairay nataon'ireo mpifizika FAA vahiny. Ankoatra izany anefa dia mampiseho ireo voka-pikarohana farany hita @ ireo toera-pikarohana sy toera-panandramana any ivelany toy ny SLAC (BABAR), ny Jefferson Lab (CLAS), ny DESY (HERA) ary ny LHC (ATLAS, CMS, LHCb); voalaza @ ireo lahateny FAA koa ireo vinavina sy fitrandrahana Fizika vaovao mifanaraka @ fanandramana ataon'ireo toera-pikarohana.
Etsy andaniny, ireo lahateny momba ny FAA fanampy kajy dia vokatry ny fianaran'asa naharitra 2 volana teo natao tany CERN momba ny fanomanana fanampy kajy ny fizikan'ny LHC. Tsara tsindrina fa mialoha ireo fanandramana FAA rehetra dia misy ireo fanampy kajy mialoha atao toy ny fimodina (simulation) izay ahafahana manatsara ny fahombiazan'ireo fitaovam-pitilina.
Fifandraisan'ireo mpifizika: T@ ankapobeany dia nizara manaraka ireo lohahevitra ireo resaka sy fifandraisana nisy teo @ ireo mpifizika. Ohatra amin'izany ny resaka teo @ mpifizika malagasy sasany tao @ INSTN sy ny i@HEP-MAD momba ny fahafahana miaraha-miasa eo @ sehatry ny fanampy kajy miaraka @ any ivelany, izay nanatsidihana ny fisian'ny vatsi-pikarohana TWAS sy ireo tamba-zotra iraisam-pirenana @ FAA fanampy kajy. Teo koa ireo resaka tsotsotra momba teboka vitsivitsy @ FAA teorika toy ny fandikana ny fifamaliana CP (CP violation), sy ny @ FAA fanandramana toy ny fombafomba fanomanana ireo fitaovam-panandramana FAA. Tsongaina farany ny fampirisihana sy ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny fomba fikarohana sy ny fomba fampianarana FAA teo @ ireo mpifizika vahiny sasany sy ny mpifizika sasany ao @ i@HEP-MAD.
Tsoa-kevitra vitsivitsy: Fanoitra lehibe ho an'ny fampandrosoana ny fisian'ireo toerana fampifandonana vainga bitika (particle accelerator) na ho an'ilay firenena mampiantrano na ho an'izao tontolo izao @ alalan'ny fampandrosoana ny FIzika. Izao mantsy, mila haitao sy hairaha isan-karazany (aratrika, fizikan'ny akora, fanampy kajy, FAA) ny fanamboarana ireny mpanadona vainga bitika ireny.
Manaraka izany, eny anivon'ireny toerana fampifandonana vainga bitika ireny no hisintonana ireo lalàna fizikan'ny tontolo bitika indrindra sy goavana indrindra. Raha ampitahana @ Fizika taloha dia mitovy lanja @ ireo fanandramana nataon-dry Kepler, Galilei, Newton sy ny tariny nahafahana nisintona ireo lalàna mekanika, na ny fanandramana nataon-dry Dalton, Thomson, Rutherford, Chadwick, nahafahana nanome ireo lalàn'ny fizika atomika.
Farany, mila fiheverana avy mpifizika FAA eto an-toerana ny fametrahana ny FAA fanandramana eto Madagasikara.
Amin'ny manaraka dia hiezaka ny hiresaka momba ny fikarohana FAA eo anivon'ny ivotoerana i@HEP-MAD ny mpanoratra.

11/09/2007

HEP-MAD 07

Salama daholo.

Araka ny tohy mipetraka @ ity blaogy ity dia nanomboka t@ Alatsinainy 10 Septambra teo ny velakevitra HEP-MAD 07, izay mbola mitohy hatramin'ny Zoma 14 Septambra izao ao @ Minisitera ny raharaham-bahiny. Mbola homena eto @ lahatsoratra manaraka ny fandaharam-potoana sy ireo mpandray anjara @ ity HEP-MAD 07 ity.
Fanokafana: Omaly maraina no nataon'ny Tale jeneraly ny Fanabeazana aoriana-Fototra (post-fundamental) sy ny Fikarohana ao @ MENRS, Andriamatoa Lahatra Razafindramisa Fils, ny fanokafana @ fomba ofisialy ny HEP-MAD 07, izay nialohavan'ny laha-teny nataon-dRamatoa Monique Ramanamihantatsoarana, Filoha Lefitry ny Anjery manontolon'Antananarivo misahana ny fanofanana, ny fikarohana sy ny fifandraisana @ any ivelany, sy ny an'i Profesora Stephan Narison, mpikarakara-mpandrindra (chairman of the organization) ireo velakevitra HEP-MAD. Mbola namafisin'i Profesora Stephan Narison hatrany ny faniriany @ fisian'ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa any aoriana eo @ ireo toeram-pikarohana vahiny sy ny eto an-toerana.
Tapany voalohany FAA: Tao aorian'ny fanokafana dia nanomboka ny hariva hatramin'ny androany antoandro ireo famelabelarana FAA nataon'ireo mpikaroka vahiny. Lohahevitra momba ny FAA fanandramana sy ny FAA teorika no noresahin'izy ireo, ka ny an'i Leo Stodolsky, mpifizika ao @ Max-Planck-Institut für Physik, München, sy Narison Stephan no momba ny FAA teorika. Ny famelabelarana nataon'i Leo Stodolsky dia mikasika fomba azo andrefesana ny fihitaran'ny eram-be (universe) avy @ elanelam-potoana ahatongavan'ny vainga-jiro (photon) sy ny vainga-angatra (neutrino) azo avy ireo taratra-tontolom-be avo angovo (high energy cosmic rays). Lazainy @ izany fa mety mihamafy io fihitarana io, tsy araky ny fiheverana hatrizay, manaraka io elanelam-potoana io (ity no taratasy noresahany tao). Teo koa ny famelabelarana nataon'i Stephan Narison momba ireo mezona kelara (scalar mesons) resahina @ Fomba Fihetsika Voafatra ny Loko (F2VL) (Quantum Chromodynamics (QCD)) , izay manana firafetana tsy mbola voazavan'ny F2VL tsara sy ezahana hazavaina @ alalan'ny Fitsipika Ilotro Mifanampy ny F2VL (FIM-F2Vl) (QCD spectral sum rule (QSSR)). Ireto manaraka ireto no taratasy manakaiky io lohahevitra io: eto, eto, eto, eto ary eto.
Tapany faharoa avy eto an-toarana: Rahampitso dia ireo mpikaroka eto an-toerana indray no hanao famelabelarana ahitana lohahevitra toy ny fampiasana ny fomba Monte-Carlo @ fikajiana, ny fomba fanisana. Afaka rahampitso kosa no mamarana ireo mpikaroka avy eto manakaiky ny FAA izay ahitana resaka toy ny alijebra maro-mifanampy (multilinear algebra) mety hita @ FAA (jereo eto), ny fanamboarana ara-herijika ny fifanetsehana (jereo eto), ny fanampy kajy Gauss ampiasaina any @ LHCb, ary ny fanamboarana ny mezona phi avy @ fifanetsehana manokana iray.
Izay indray ary aloha fa dia tohizina @ manaraka ny fiafaran'ity velakevitra HEP-MAD 07 ity.

24/08/2007

Vaovao malagasy

Salama daholo.

Mety ho tsara ho antsika no mahalala fa misy sehatra isan-karazany azo ifampiseraseran'ny malagasy @ tranokala na dia tsy mbola nahita serasera miresaka lohahevitra tokana voafaritra mialoha aza aho. Marihana koa ny ezaka ataon'ireo mpiray tanindrazana momba ny fikolokoloina sy famelomana ireny serasera ireny toy ny ao @ serasera.org indrindra nohon'ny fisian'ireo olona tsy manaja izany ezaka izany. Ankoatra ny serasera dia misy koa ireo tranokala malagasy izay napetraka ho tohy maharitra @ ity blaogy (io teny io no efa betsaka mampiasa handikana ny teny blog) ity. Eo ny Firaketan'i Madagasikara sy rakibolana malagasy, izay ahitana dika teny, sy ny Wikipedia @ teny malagasy, izay rakibolana iraisam-be (universal) ilàna fifanampiana avy amintsika rehetra.

Izay no vaovao fa @ manaraka miverina @ resaka efa nofaritana.

22/08/2007

Asa fikarohana sy fampianarana FAA, II

Salama daholo.

Fanohizana ny lahatsoratra momba ny fikarohana sy ny fampianarana FAA no ity manaraka ity.

Ny resaka farany momba ity lohahevitra ity dia misahana momba ireo fepetra ahazoana mikaroka sy mampianatra; eto dia ho resehana ireo toetran'ny fikarohana sy fampianarana @ FAA.
Famaritana: Ny fampianarana dia fampitana fanazavana @ olona (mpianatra). Tsy fandresen-dahatra ny fampianarana satria anjaran'ireo mpianatra no mamolavola indray ireo fanazavana azony ho fanazavana manokana ho azy. Ohatra, inona moa no handresena lahatra fa manaraka ny teoria robo (gauge theory) (avy @ teny hoe roboka ny teny robo) ny fifanetsehan'ny vainga karika (interaction of quarks)? Ny fanaon'ny mpifizika dia ny miady hevitra momba ny hoe: Fa nahoana no manaraka ny teoria robo ny fifanetsehan'ny karika? Fa inona no atao hoe karika? Ary ahoana ny fifanetsehan'ny vainga hafa? Raha zoina dia ny momba ilay matiera no mahavariana sy mampanontany ny mpifizika.
Singa mampisy ny fampianarana: Misy efatra ireo singa lehibe mamorona ny fampianarana dia ny mpampianatra, ny mpianatra, ny taranja ary ny fitiavana. Ho hitantsika fa ny herin'ny fitiavana miasa @ fampianarana no mamaritra ny toetran'ny fampianarana. Voalohany, rehefa mihakely ny fitiavana miasa ao (avy @ mpampianatra na avy @ mpianatra, miantefa @ olona na @ ilay taranja) dia miha-lasa fahazarana ny fampianarana ary atao izy satria izay no fanao, na hoe satria izay no ahitana asa. Etsy an-daniny, rehefa mitombo ny fitiavana miasa ao dia toa mitombo koa ny fahombiazan'ny fampianarana satria toa mihabetsaka ny finiavana handalina sy hitady fanazavana mahafapo kokoa hatrany.
Ny fampianarana dia fifandraisana: Ny fifandraisana resahana eto dia ny fisiana zotra hifampitan'ny takalo. Amin'ny sehatra FAA ohatra dia ny fifanetsehana (interaction) no endrika isehoan'ny fifandraisana. Amin'ny teoria robon'ny fifanetsehana, ny takalo dia vohizin'ny mpitondra (support) antsoina hoe vainga robo (gauge bosons) izay hifampitan'ireo vainga matiera. Azo hanombohana @ famaritana ankapobeany ny fifandraisana ireo modeli-pifanetsehana hita @ FAA.
Fifantohana sy figodàna: Ny fampianarana na ny fikarohana dia samy mitariky fifantohana @ ilay taranja ho an'ny mpampianatra-mpikaroka sy ny mpianatra. Ny fifantohana dia mampiasa mitohy ny fotoana izay ilaina @ fitadiavana sy famolavolana ireo fanazavana, ary mifantina ireo lohahevitra ho dinihana ka matetika izany no miteraka vokatra voahevitra sy lalina kokoa nohon'ny figodàna (avy @ fiteny hoe arabe migodàna ny teny figodàna).
Ny famahana olana fizika na matematika matetika dia mamaritra ilay olana mba ho azo zarazaraina zana-olana vitsivitsy ary avy eo mampiasa ny fotoana izay mety (mety ho lava) hamahana azy. Vakio ohatra ny fanaon'i Richard P. Feynman, mpifizika FAA efa nodimandry, eto sy ny an'i Terence Tao, mpimatematika ao @ University of California, Los Angeles (UCLA) eto.
Mila fitandremana, manomboka @ mpampianatra-mpikaroka, anefa ny fampianarana mba tsy hifantoka @ zava-poana na koa hanome lanja tafahoatra ilay taranja. Raha ny fahazoako ny tenin'i Alexander Grothendieck eto dia io tranga faharoa io no antony lehibe nampihenany ny fikarohana matematika nataony. Mahalaza io fitandremana faharoa io koa ny ohabolana malagasy hoe "Aza manao mpiasa be vonton'anatra ka manao mbay lalana an-tsena" sy ny fitenin'i Stephan Narison hoe "Let's do physics for fun not for an ultimate goal", ary ny tenin'i Salomona mpanjaka, zanak'i Davida (ilay niady t@ Goliata), hoe "Zava-poana ny zavatra rehetra" (Bokin'ny Mpitoriteny, I;2). Noho ireo antony voalaza ireo dia ilaina ny figodàna na @ fampianarana na @ fikarohana. Ny figodàna mantsy dia mamela @ fisokafana, ny fahamaroana sy ny fahasamihafana ka mampivelatra ireo lafi-toetra maron'ny mpampianatra-mpikaroka, ny an'ny mpianatra ary ny an'ilay taranja.
Modely fampianarana: Raha ny hevitro dia i Jesoa Kristy no modely lavorary ny mpampianatra tsara. Hita ao @ tantaram-piainany ireo endrika fifandraisana eo @ mpampianatra sy mpianatra ary ny taranja: misy fotoana ohatra tsy mahazo resaka ny mpianatra, misy koa mahery vaika ny tenin'ny mpampianatra, sy ny sisa kanefa dia nahomby ny fampianarana raha tarafina @ 'fahazoana' ananan'ireo mpianatra taloha sy vaovao momba ilay taranja nandritra izay 2000 taona izay.

Izay indray aloha ny anio fa hanohy ny resaka momba ny fikarohana @ manaraka!

11/08/2007

Blog iraisana momba ny Fizika sy Matematika fototra

Salama daholo.

Momba ny famelomana blog momba ny Matematika sy Fizika fototra (fundamental) no ho soratana manaraka eto.

Famaritana: Ny blog dia karazana gazety hita @ web misahana lohahevitra manokana, izay ahitana 1) lahatsoratra matetika avoakana vondrona olon-tsotra (tsy voatery mpanao gazety) antsoina hoe mpi-blog, 2) fanehoan-kevitra momba ilay lahatsoratra ataon’ireo mpijery tranokala, ary 3) valin-teny ataon’ny mpanoratr’ilay lahatsoratra.

Tanjona sy fomba fiasa: Afaka ho tanjona lehibe iombonan’ireo mpi-blog amin’ny famoronana blog iray ireto manaraka ireto:
• ny fametrahana fifandraisana malalaka (tsy misy sivana firy) sy haingana (eo am-perinasa) ary mitohy eo @ ireo mpi-blog sy ny manodidina azy ireo.
• ny fizarana fahalalana malalaka sy haingana (manaraka ny vanim-potoana) ary mitohy amin’ireo manodidina (mpianatra, mpikaroka na olon-tsotra).
• ny fametrahana sehatra malalaka sy haingana ary mitohy itsirin’ny fiaraha-miasa.
Toy izao no fomba fiasa azo apetraka:
• ireo lahatsoratra avoaka dia misahana fijery ankapobeany (tsy misy kajy firy) momba ny Fizika sy ny Matematika fototra, izay misokajy toy izao:
1. vaovao momba lohahevitra eto an-toerana na iraisam-pirenena;
2. tantara momba ny famolavolana lohahevitra;
3. fifandraisana misy eo @ lohahevitra maromaro;
4. fikarohana sy fanazavana tsotsotra momba lohahevitra;
• ireo mpi-blog dia mpianatra Dingana fahatelo na mpampianatra-mpikaroka eo anivon’ny Sampana Matematika sy Fizika. Mpi-blog efatra na dimy no miaraka ao anatin’ilay blog mba ivelaran’ny fifandraisana bebe kokoa (mihoatra ity blog Fizikan'ny avo angovo ity izay ahitana fanehoan-kevitra iray hatramin'izao).
• ny mpi-blog iray dia malalaka @ famoahana lahatsoratra voasokajy etsy ambony sy @ famaliana ireo fanehoan-kevitra mikasika ny lahatsoratra navaokany. Afaka mamoaka lahatsoratra voasonia nomen’ireo mpikaroka namany ny mpi-blog. Marihana fa mitovy @ fandefasana e-mail ny fandefasan’ny mpi-blog ny lahatsorany @ ilay blog.
Ho enti-manana sy fitantanana: Toy izao no azo atao:
• mpi-blog: mpikaroka manodidina lohahevitra manokana, manana fotoana hizarana ny heviny sy hahalalany ny hevitry ny hafa;
• solosaina mifandray @ web: tranokalo @ web mampiantrano (maimaim-poana) ilay blog toy ny www.blogger.com ;
• fitantanana: ireo mpi-blog rehetra dia miaraka mitantana ny fiainan’ny blog (fametahana dokam-barotra, fametahana tohy, sns).
Andraikitra: Ireo mpi-blog dia samy tompon’andraikitra @ ireo lahatsoratra navoakany. Ireo mpi-blog dia tsy tompon’andraikitra @ ireo fanehoan-kevitra voasoratra ao @ blog kanefa andraikitr’izy ireo no manivana ireo fanehoan-kevitra mivoana (ompa, fihantsiana hanao ratsy). Ireo mpi-blog rehetra dia manaraka fitsipi-pifehezana takian’ilay tranokala mpampiantrano.

Asa hanakory ny akony ity lahatsoratra ity satria, ankoatra ireo namana sy olom-pantatra vitsivitsy, tsy fantatra ireo mpamaky ity blog ity.
Raha tsy misy fiovana dia ho tohizantsika ny lahatsoratra momba ny asa fikarohana sy fampianarana FAA @ manaraka.

06/08/2007

Asa fikarohana sy fampianarana FAA, I

Salama daholo.

Araky ny nosoratana dia momba ny fikarohana sy fampianarana FAA no ho soratana manaraka eto.

Voalohany indrindra dia misy ireo asa itovizan'ireo mpifizika teorika n'aiza n'aiza misy azy: ny fandalinana ny tontolon'ny tsapa. Misy koa anefa ireo asa tokony mampiavaka ny mpifizika malagasy nohon'ny maha-manokana ny fiaraha-monina misy azy satria olon'ny fiaraha-monina izy ireo ka mila mirindra aminy (sy mampirindra ny fiaraha-monina) mba ahombiazan'ny asa ataony.

Tsy maintsy misy ny Asa fikarohana Fizikan'ny avo angovo eto Madagasikara. Hazavaina manaraka eto ny tsy maintsy handratona ny Fizikan'ny avo angovo eto Madagasikara sy ireo antom-pisian'ireo ivotoeram-pikarohana momba ny Fizika teorika.

Asa voarindra sy ny vokatra iombonana: Ny ivotoeram-pikarohana momba ny fizika dia sehatra ahazoana mizara sy mandrindra ireo hevitra sy fijerin'ireo mpikaroka tsirairay, mpampianatra na mpianatra, momba ny tontolo tsapa mba hiteraka fanazavana sy vokatra iombonana ho an'ny mpiara-belona. Rehefa harindra mantsy ireo falalahana sy fahalalana sasantsasany ananan'ny tsirairay dia mazàna mitondra vokatra lehibe -- toy ny fampianaram-bahoaka, ny fahasalamam-bahoaka, ny fikarohana, ny trano be (na kely koa), ny fivarotam-be -- ho an'ny daholobe na ny fiaraha-monina raha oharina @ ireo asa manokana. Ny ankamaroan'ireo vokatra iombonana ireo dia tsy mety ho azo avy @ hevitra sy fihetsikin'ny olona tokana. Mety ho tonga @ izao famehezana ny aratra sy ny jiro, izay miendrika @ ireo fitaovana rehetra mandeha @ herin'aratra sy jiro, izao ve ny zanak'olombelona raha tsy nisy fiarahana na fandrindrana ireo fikarohana natao?
Fehiny: ny fikarohana FAA dia mialoha ny vokatra iombonana haitao izay ho ampiasan'ny zanak'olombelona rahatrizay.
Fahalalana sy tsy fahalalana, ary ny Sivana Voajanahary (natural selection): Ny tsy fifehezana sy fampiasana ireo voka-pahalalana, toy ny vata fanampy kajy (computer) sy ny finday, dia miteraka fiankinan-doha @ ireo mpahalala (fanandevozana vaovao angamba no azo iantsona io toe-javatra io). Ny Sivana Voajanahary dia teoria hairaha ahafahana manazava ny fivoaran'ny zava-boary eto an-tany, izay milaza fa ny mahery sy ny mahay hatrany ihany no miangana sy mivoatra.
Tsy maintsy miangana ny Malagasy: ny fandratona ny Fizika teorika dia fomba iray mampihena ny elanelam-pahalalana misy amintsika sy ny any ivelany, izay hampihena ny fiankinan-doha sy hiaro ny malagasy @ faharinganana.

Itokiso ireo mpampianatra-mpikaroka. Ny mpampianatra no mamolavola ireo taranaka ara-pahalalana sy ara-pahaiza-manao. Fandrindrana ireo fahalalana sy fifandraisana @ mpianatra no mamaritra ny asa fampianarana ary manomboka eo @ fampianarana no mivelatra sy mihatra ny fikarohana ataon'ny mpikaroka. Araka izany dia ny fikarohana no mandeha alohan'ny fampianarana indrindra ho an'ny taranja toy ny FAA. Ho an'ny ivotoerana @-HEP-MAD ohatra, dia mifototra indrindra @ fikarohana ataon'i Stephan Narison ireo fampianarana sy asa soratra omanin'ireo mpianatra ao.
Inona no zava-misy ho an'ireo mpampianatra-mpikaroka? Raha ny fivelomana isan'ora raisin'ny mpampianatra-mpikaroka eny @ toeram-pampianarana tsy miankina ambaratonga ambony dia eo @ 5000 hatramin'ny 6000 Ariary eo. Noho izany mila mampianatra eo @ 12 ora isan-kerinandro izy vao mandray 250000 hatramin'ny 300000 Ariary isam-bolana. Ny taranja iray dia ampianarina 3 ora isan-kerinandro ary mety misy kilasy roa samy mianatra ilay taranja. Izany hoe taranja roa samihafa faharafakely no mila ampianarana ho an'ny mpampianatra iray vao mandray ilay karama voalaza etsy ambony izy. Raha toa ka Matematika mihatra (applied mathematics) na Fizika ankapobeany (general physics) ilay taranja ampianarina ary mifanaraka @ ireo ny fikarohana ataon'ilay mpampianatra dia tsy misy tambin-karama ilay fikarohana. Ho an'ireo mpampianatra-mpikaroka mpiasa-bahoaka indray dia misy ireo mampianatra ao @ Sampana Fizika, Sokajy Hairaha Antananarivo, ireo fototra sasany ilaina @ FAA toa an'i Roland Raboanary, mpifizika ao @ Sampana Fizika, Sokajy Hairaha Antananarivo, sy mpitantana ny i@-HEP-MAD, sy Raoelina Andriambololona ary Lahatra Razafindramisa Fils, mpifizika ao @ LPMR. Ireo mpampianatra voalaza ireo dia manao asa ivelan'ny Sokajy Hairaha Antananarivo toy ny fiasana eny @ ivotoeram-pikarohana sy fampianarana hafa (ho an'ireo roa voalohany) sy eny Minisitera ny Fanabeazana fototra sy ny fikarohana siantifika (ho an'ilay farany). Farany, toy izao ny zava-misy rehefa maka fotoana ny fampianarana (sy ny fanomanana azy) oharina @ fikarohana araka ity fanazavana omen'i Alain Connes ity (jereo eto, pejy 25-26.).
Inona no ireo fanatsarana azo atao? Ny soso-kevitro dia toy izao: soloina ora fikarohana ny antsasak'ireo ora fampianarana ary hitadiavana fomba fivelomana manokana ilay fikarohana atao. Ny fomba fivelomana manokana dia toy ny fiasana @ ivotoeram-pikarohana, ny fananan-tany, ny fiaraha-miombin'antoka @ ireo toeram-pampianarana sy orinasa haitao.
Fehiny: vaika sy antoka mampahomby ny fampianarana ny fahombiazan'ny asa fikarohana -- fahombiazana izay voafaritry ny fomba fivelomana -- ataon'ireo mpampianatra-mpikaroka.

Itokiso ireo mpianatra-mpikaroka. Ho an'ny firenena mandroso, toy ny USA, dia toy izao ny rafitra misy manomboka eo @ mari-pahaizana PhD.
  • PhD: (atao anatin'ny 2 taona eo) ianarana mikaroka momba lohahevitra manokana iray;
  • Postdoctoral Fellowship: (2 taona eo) fandraisana anjara @ fikarohana na/sy fampianarana ao anatin'ny tetik'asa lehibe iray;
  • Junior Fellowship: (3 taona eo) fanatevenana ny fikarohana na/sy fampianarana eo anivon'ny tetik'asa lehibe iray;
  • Professor Fellowship: fitaritana fikarohana sy fampianarana.
Araka izany dia manana andraikitra sy fotoana fanomanana ireo manana PhD alohan'ny hitarihany fikarohana. Noho izany dia voafetra ny voka-pikarohana takiana @ izy ireo. Marihana fa ireo mpikaroka Post-doc sy Junior ireo no mpiasa betsaka indrindra @ fampandehana ny asa-pikarohana sy fampianarana ataon'ireo mpampianatra-mpikaroka (jereo ny University grants program subpanel report nosoratan'i Peter Woit).
Nohon'ny tsy fahatomombanan'ny rafitran'ny Fikarohana-Fampianarana (FF) eto Ambohitsaina (vitsy ohatra no voaray Assistant d'Enseignement Supérieur et de Recherche raha oharina @ ireo mpianatra manana DEA. Rehefa izany dia mihena ny fifantohan'ilay doctorant @ fikarohana nohon'ireo asany hafa), dia misy ireo mpianatra-mpikaroka postdoc mirotsaka avy hatrany @ sehatry ny FF toy ny fitadiavana loharano-piharina ho an'ny ivo-toerana misy azy. Raha mitady asa fanampiny ivelan'ny FF mantsy izy ireo dia voatery hanao asa 'tsotra' satria tsy hanam-potoana hianarana asa hafa na 'sarotra' noho ny FF misy azy izy ireo ('tsotra' eto dia toy ny hoe fampianarana any Ambaratonga Faharoa, ary ny 'sarotra' dia toy ny hoe fitantanana orinasa).
Rehefa tomombana ilay rafitra voalaza etsy ambony io, dia ny fanampiana an'ireo mpitarika ny fikarohana ao @ ivotoerana @ fizotry ny fikarohana sy fanantontosana ny fampianarana no andraikitra sy fianarana lehibe indrindra ho an'ireo postdoc.
Fehiny: vaika sy antoka mampahomby ny FF eo anivon'ny ivotoerana iray ny fanateven'ireo mpianatra-mpikaroka ny asan'ireo mpampianatra-mpikaroka ao.
Io fomba fiasa io, azo antsoina hoe fomba fiasa fizokiana, dia ahafana mametraka asa maharitra, mitohy ary manatevina ho an'ny ivotoerana.

Fehiny ankapobeany: Mila avahana ny asa fikarohana-fampianarana sy ny asa fivelomana ho an'ny mpampianatra-mpikaroka toy ireo @ sehatra FAA. Ny asa fikarohana-fampianarana atao dia efa asa fivelomana kanefa mila fivelomana manakona fanampiny izany.

Izay indray ary aloha fa tohizintsika @ manaraka ny fanoratana.

01/08/2007

Vaovao matematika

Salama daholo.

Nohon'ny hetsika misy ety Ambohitsaina dia hiresaka matematika aho androany. Androany hariva dia manatanteraka dinika momba ny teorian'ny isa (number theory) ny Madagascar-INSTN sy ny Sampana Matematika, Groupe Géometrie Arithmétique ato @ Sokajy Hairaha, Antananarivo. Izany dinika izany dia tafiditra @ Séminaire Interdisciplinaire Raoelina Andriambololona ary natao tao @ efitrano Q2 teto @ Sokajy Hairaha, Antananarivo.

Gérard Razafimanantsoa sy Paul Razafimandimby (ny voalohany dia mpampianatra an'ilay faharoa), mpimatematika samy ao @ Sampana Matematika, Groupe Géometrie Arithmétique, ary François Ramoroson, mpimatematika ao @ Department of Mathematics, Howard University, no anisan'ireo mpandaha-teny tamin'izany. Araka ny afisin'ilay dinika dia momba ireo isa miabo voasaina (positive rational number) izay velarana telolafy mahitsizoro manana lafy telo samy isa voasaina: ireo isa ireo dia antsointsika hoe isa velarana (congruent numbers) ary voafaritra toy izao:

n dia isa velarana <=> misy a,b,c\in Q | n = (bc)/2 > 0 ary b^2 + c^2 = a^2.

(Ny marika "a\in A' dia milaza fa singan'ilay marika A (izay fitambarana (set)) ny marika a.)
Ny ampahany @ lahateny nataon'i François Ramaroson no natrehako ka noresahana tao ny teoreman'i Euclide momba ny fisiana tsy voaisa isa samba (prime number) (Euclid's theorem), ny teoreman'i Dirichlet momba ny toetran'ny isa samba (Dirichlet prime number). Raha ny resany dia niainga t@ ireo koa ny lahateny nataon'i Gérard Razafimanantsoa sy Paul Razafimandimby. Ny vontoanton'ny famelabelarany dia momba ny teorema iray mikasika ireo isa velarana, izay niarahany niasa t@ Ashvin Rajan, mpimatematika (t)ao @ Departement of Mathematical Sciences, Loyola College, izay nalefan-dry zarei gazety hairaha (jereo eto).
Teo @ dimampolo teo ireo mpianatra sy mpampianatra nanatrika io dinika io ary tsapa ho nahafinaritra ny fizaotrany; marihana ohatra ny fipetrahan'i Raoelina Andriambololona -- mpifizika ao @ Sampana Fizika, Sokajy Hairaha, Antananarivo, sy mpanorina ny Madagascar-INSTN -- teny aoriana indrindra, toy ny olon-tsotra, mandefa ny taratasy fitanam-pahatongovana @ ilay mpianatra teo anoloany. Finaritra ery aho nahita izany fihetsik'ilay mpampianatray izany!

Fifandraisan'ny teorian'ny isa @ Fizikan'avo angovo (FAA). Misy ifandraisany ireo taranja roa ireo saingy tsy mbola voatrandraka izany eto Madagasikara raha ny fahalalako (raha misy malagasy mitrandraka izany dia mba lazao). Tantara izy ity satria hahita toerana maro @ tontolon'ny Fizika sy ny Matematika isika ka mihomana ireo tsy mahataty dia lavitra.
Teorian'ny famarana (renormalization) sy ny teorian'i Galois (Galois theory). Ny teorian'ny famarana dia hita any @ teorian'ny saha voafatra (quantum field theory), ilazana ny fanomezana fatra voaisa (finite quantity) ireo halehibe fizika tsy hita isa (divergent) voafaritra ao @ teorian'ny saha voafatra (momba io lohahevitra io no asa soratra dingana fahatelo omaniko @ izao fotoana). Araka ny asan'i Dirk Kreimer sy Alain Connes (sy ny namany) dia azo harindra @ alalan'ny rafitra Hopf alijebirika ny famarana tsy tamba-be (perturbative renormalization) izay manana bika toy izao:

R = C*F

Eto C dia ilay mandray mamatra (counterterm), F ilay mandray tsy voafatra (unrenormalized amplitude) ary R ilay mandray voafatra (renormalized amplitude) ary ny marika "*", izay antsoina hoe fampitombona mifampiditra (convolution product), no mitondra ilay rafitra Hopf alijebrika.
Io fandrindrana Hopf alijebrika io dia azo hadika @ fitsinjaran'i Birkhoff (Birkhoff decomposition) @ alalan'ny mandray^{(1)} \Delta an'ny valiroan'i Gelfand-Naimark (Gelfand-Naimark duality) ka manome:

\Delta(F) = \Delta(C) ^{(-1)}\Delta(*)\Delta(R).

Ny fitsinjaran'i Birkhoff dia fomba iray fanoratana ny olana Riemann-Hilbert (Riemann-Hilbert problem) momba famahana fimirana mpampielana Fuchsiana (Fuchsian differential equation). Eto no miditra ny teorian'i Galois satria io teoria io dia mitady fifandraisana eo @ vaha-na fimirana (mpampielana) @ ankapobeany.
Amin'izao fotoana izao dia tafiditra any @ tontolo antsoina hoe motivic Galois theory t@ alalan'ny fitaovana (sambo!) antsoina hoe fifampizotrana Riemann-Hilbert (Riemann-Hilbert correspondence) rehefa avy mita ny ranomasin'ny rafitsary alijebrika (algebraic geometry).
Ny teorian'ny motive (avy @ teny frantsay hoe motifs) dia nampidirin'ilay mpimatematika Alexander Grothendieck,tantsambo nikoizana any @ rafitsary alijebrika. Mijanona eto ny dia satria efa manomboka very koa ny mpanoratra.
Fifandraisana hafa. Ny fifandraisana hafa dia mety mbola maro saingy miavaka @ izany fifandraisan'ny biloka misalavala (elliptic curve) sy ny teorian'ny saha kely daka (conformal field theory) izay mbola tsy haiko koa ny antsipiriny (jereo eto ohatra).

Izay indray aloha fa dia mandrisika hatrany ny fifandraisana. Afaka mandefa lahatsoratra @ ity blog ity (@ alalan'ity mailaka ity) ny rehetra, lahatsoratra izay maneho fomba fijery ankapobeany mifandray @ FAA. Ankoatra izay dia azo ampiasaina koa ilay tohy 'fanohoan-kevitra' eo ambanin'ny lahatsoratra tsirairay.
Raha tsy misy fiovana dia momba ny fikarohana sy ny fampianarana FAA no resaka manaraka.

28/07/2007

Tsapa sy hevitra miasa fizika

Araka ny nosoratana dia hiresaka momba ireo tsapa sy hevitra miasa eo @ tontolon'ny avo angovo ity lahatsoratra manaraka ity.

Ny vainga bitika sy ireo toetrany. Ireo tsapa dia ny fizorana (trajectory) hita @ ireo fitaovam-pitilina toy ny efitrano mando (drift chamber) sy ny fitaovam-pitilina vita fasika (silicon detector), ny angovo refesin'ny fandrefy angovo (calorimeter), ny hafainganam-pandeha refesin'ny fanisana Cherenkov (Cherenkov counter) (jereo @ arXiv ny "Introduction to Statistical Issues in Particle Physics" sec. 1.2, nosoratan'i Roger Barlow, mpikaroka ao @ Stanford Linear Accelerator Center na SLAC), ny vaikam-pandeha (momentum) refesina @ alalan'ny fiolanan'ny fizorana mandalo saha andriambika (magnetic field). Ny vainga bitika (particle) dia hevitra miasa fizika hilazana ny fitambarana toetra fizika manokana toy ny vesatra, ny vesatra aratrika, ireo jijy (spin).
Ny fanandramana sy ny teoria. Raha ny fahalalako, dia ireo refy sy hevitra miasa fizika avy any ampitan-dranomasina hatrany no hamolavolan'ireo mpifizika FAA (high energy physicist) eto an-toerana -- toy ny ao @ ivotoerana malagasy momba ny fizikan'ny tontolom-be sy ny avo angovo (i@-HEP-MAD) -- ireo fanazavana sy lalàna nohon'ny tsy fisian'ireo fitaovam-pandrefesana voalaza etsy ambony izay ahafahana mitsapa ny tontolon'ny avo angovo. Matetika dia miainga @ fianarana ireo teoria FAA efa misy izany famolavolona izany ary raha oharina @ fikarohana ataoko dia misy toerana malalaka ihany eo @ tontolon'ny teoria FAA ahafahan'ireo mpikaroka FAA eto mitondra fanazavana manokana momban'ny tontolon'ny avo angovo. Mba ifotorany sy ivelaran'ireo fanazavana manokana ireo anefa dia ilaina ny famelomana ny FAA fanandramana (experimental HEP) izay loharanon'ireo fanazavana sy teoria rehetra mandrafitra ny FAA.
Ny fanandramana eto. Raha tsy diso aho dia kely sy 'tsotsotra' ny fitaovam-pitilina sasany toy ny fitaovam-pitilina noforonin'i Georges Charpak (ny efitra Charpak) fa tsy voatery ho goavambe foana toy izay ampiasaina @ Large Hadron Collider na LHC an'ny European Organization for Nuclear Research na CERN. Midika izany fa misy toerana azo ivelaran'ny FAA fanandramana eto Madagasikara raha ny fitaovana materialy no resehana. Inona no zava-misy eto Madagasikara momba ny fitaovam-panandramana fizika? Ny Institut National des Sciences et Techniques Nucléaires-Madagascar (INSTN-Madagascar) sy ny Laboratoire de Physique de la Matière et Rayonnement (LPMR) no fantatro mampiasa fitaovam-pandrefesana toy ny fitaovam-pandrefesana ny sokajim-besatra (mass spectrometer), ny fanisana Geiger, izay ampiasaina indrindra @ tontolon'ny iva angovo. Eo ihany koa ny Sampana Physique du solide et Physique expérimentale ao @ sampam-piofanana Fizika (Antananarivo), izay milaza manangana fitaovam-pandrefesana ny saha aratrika sy andriambika.
Anjaran'ny i@-HEP-MAD no mifanakalo @ ireo mpikaroka ao @ ireo ivotoerana sy toeram-pikarohana voalaza ireo mba hamelona sy hampivelarana miandalana ny FAA fanandramana eto Madagasikara.

Ireo vaovao. Ho tanterahana eto Madagasikara ny velakevitra (conference) iraisam-pirenena HEP-MAD 07 ny 10 hatramin'ny 15 Septembra izao. Io velan-kevitra io dia faha-telo @ ireo velan-kevitra HEP-MAD (HEP-MAD 01, HEP-MAD 03) izay karakarain'i Stephan Narison, mpifizika FAA malagasy ao @ Laboratoire de Physique Théorique et Astroparticules (Montpellier) sy mpanorina ny ivotoerana i@-HEP-MAD. Ny velakevitra HEP-MAD dia hiresahana indrindra ireo toetra sy fihetsik'ireo vainga bitika antsoina hoe quark izay tsapa eo anivon'ny proton sy ny tariny. Fotoana iray ahafahana mamantatra ihany koa ny toe-tsainan'ireo mpifizika FAA, izay isongadin'ny firesahana sy fikatsahana ny 'marina' hatrany.
Manaraka izany, momba ny fampiasana ity blog ity: afaka maneho hevitra ny rehetra @ alalan'ilay tohy 'fanehoan-kevitra' hita @ faran'ny lahatsoratra (sao dia tsy ahazoana mifandray loatra ny fomba fanoratako?).
Nampiako tohy mankany @ ireo blog vitsivitsy momba ny Fizika teorika ity blog ity toy ny "Not even wrong" izay tazomin'i Peter Woit, mpifizika-matematika ao Columbia University, sy ny "Noncommutative Geometry" tazomin'i Alain Connes (sy ny namany), mpimatematika frantsay ao @ Institut des Hautes Etudes Scientifiques (IHES).

Miankina @ ireo fanehoan-kevitra eto, dia momba ny fikarohana sy fampianarana FAA no ho resahana manaraka.

25/07/2007

Fampidirana

Salama daholo, dia faly mandray ny rehetra eto @ ity blog ity.

Ny fampidirana ho atao dia famaritana momba ny Fizikan'ny avo angovo (FAA) araka ny mpibilogy @ teny malagasy ampian'ny teny angilisy (eto am-boalohany) izay fampiasan'ireo mpikaroka iraisam-pirenena.

Famaritana am-boalohany: ny Fizika dia fanaovana andrana eo @ Tontolo sy famoahana lalàna mifehy ireo tranga hita mandritra ilay fanandramana. Rehefa ao anatin’ny Tontolon’ny Avo angovo, izay hita @ tontolo faran'ny bitika (ohatra ny voanin'ny neutron) sy faran'ny lehibe (ohatra ny Tontolom-be (Univers)), ny fanandramana atao dia antsoina hoe Fizikan’ny avo angovo ilay Fizika.
Famaritana faharoa: ny Fizika dia fiantsoana ny fampiarahana ny tsapa @ hevitra miasa (concept) misy fatra (quantity) sy ny fihetsikin’ny tsapa @ fandrindrana ireo hevitra miasa ao.

Tsapa <--> Hevitra miasa fizika
Fihetsikin’ny tsapa <--> Firindran’ireo hevitra miasa

(Ilay marika "<-->" eto dia milaza fifandraisana.)
Famaritana filozofika: ny Fizika dia fikatsahana ny marina @ alalan’ny fifandraisana @ Tontolo.
Mifameno ireo famaritana 3 nomena teo satria manazava sy mamintina ireo asa atao @ Fizika kanefa ny famaritana faharoa no mazava indrindra.
Famaritana matematika: ilay famaritana faharoa io dia azo hatsaraina @ alalan’ireto mandray (function) roa ireto:

Fiz^0 : Tsapa --> Hevitra miasa fizika,
Fiz^1 : Fihetsikin’ny tsapa --> Firindran’ireo hevitra miasa fizika.

(Ny marika "-->" eto dia mampiseho fiasan'ny mandray @ Matematika. Ny marika "^" dia milaza fa miakatra ambony ny soratra manaraka, ohatra "2^3" dia milaza hoe "2 superscript 3" na koa "2.2.2". Rehefa maromaro ny soratra miakatra ambony dia ampiasaina ny marika "{}".)
Ireo mandray roa Fiz^0 sy fiz^1 dia azo tsotsorina ho mandray^{(1)} (na functor (jereo Wikipedia momba ireo teny matematika)) tokana, antsointsika hoe Fiz . Eto dia mivoitra ny filazana fa misy fizorana ny Fizika, izay miainga amin’ny lohany (source of the functor) – ny Tontolo sy ny fihetsiny – ka mankany any @ farany (target of the functor) - ny Hevitra sy ny fanazavany.
Ny toeran’ny matematika @ Fizika: Araka ny famaritana, ireo hevitra miasa fizika dia miaraka @ isa hatrany izay antsoina hoe refy (physical quantity) @ Fizika ary ny fandrindrana ireo hevitra miasa fizika ireo dia azo atao @ alalan’ny matematikan’ireo refy ireo.

Mf^0 : Hevitra miasa fizika --> Refy,
Mf^1 : Fandrindrana ireo hevitra miasa fizika --> Matematikan’ireo refy

Io ”fahombiazana mahagaga ny Matematika hanazava ny Fizika” (Eugene Wigner) io sy ny maha-iraisam-be (universal) ny Matematika dia anisan’ireo antony hananan’ny Fizika endrika iraisam-be.

Izay aloha no fomba fijery mety mamintina ny atao hoe Fizikan'ny avo angovo. Momba ireo tsapa sy hevitra miasa fizika ao @ tontolon'ny avo angovo no ho resahana manaraka.