15/01/2009

Taona vaovao

Salama daholo ary miarahaba antsika tratry ity taona vaovao ity.

Tsiahy momba ireo tranga nanamarika ny faran'ny taona 2008, sy ireo asa sy hetsika @ ity taona 2009 ity no hifampizarana.
Ny loka Nobel 2008: mpifizikan'ny avo angovo teorika no nahazo izany loka izany. Voka-pikarohana mikasika ny fitsipika fizika, antsoina hoe fitsipikin'ny fifandrifiana vaky voatampoka (spontaneous broken symmetry's principle), izay ahafahana mampitombona ny teoria robo ny fifanetsehana (gauge theory of interactions) [Tsy mbola haiko ny manazava an'io fitsipika @ alalan'ny resaka ary tsy mbola tena nohalaliniko koa ny antsipirin'ireo kajy.].
Ny famelomana ny LHC: t@ 9 septambra 2008 no novelomina ny fampifandonana vainga bitika Large Hadron Collider (LHC) ao @ Centre Européen pour la Recherche Nucléaire (CERN). Misy mpikaroka sy mpianatra malagasy ihany mandray anjara eo @ lafiny teoria (momba ny teorian'ny aty ny atimatiera (theory of nucleon's constituants)) sy fanandramana (momba ny zotra avo henjan'aratra ny fitaovam-pitiliana VELO ao @ LHCb, ny fiantraikan'ny fahadisoam-pitiliana @ haitranga fipotsahana) @ io fanandramana atao ao CERN io. Ny vaovao farany dia nisy fahasimban'ireo andriamby sasany tao @ LHC ary niteraka ny fanohizana ny fanodinana ny LHC ho @ jolay-aogositra 2009 faharafaha-alohany na @ 2010 indray [raha tsy misy ny sampona].
Ireo asa sy hetsika 2009: Ho an'ny ivotoerana i@HEP-MAD dia eo ny fanamafisana ny fikarohana @ alalan'ny tetik'asa fananganana tarika FAA fanandramana handray anjara @ sampam-panandramana LHCB, ny fanohizana ny asa teorika momba ny fampizotrana AdS/CFT sy ny fampiharana azy @ Fomba Fihetsika Voafatra ny Loko (F2VL) (Quantum Chromodynamics (QCD)), ny fianarana Fizikan'ny vainga bitika toy ny fikajiana taha fipotsahana, velara-dona, kajy olika @ fitendron'ny efitra (loop computation of vacuum polarization), famarana ny vesatr'aratrika ny electron (renormalization of electric charge) .
Eo am-pamolavolana ny fandaharam-pampianaran'ny lalam-piofanana Fizikan'ny avo angovo koa ny tompon'andraikitry ny Dingana fahatelo @ sampana Fizikan'ny aty matiera, Fizika Teorika sy Fizika mihatra, ao @ Departemanta Fizika eny Ambohitsaina.
Farany, hanomboka rahampitso ny fampianarana Fizika Fanandramana (Experimental Physics) atao ao @ Kolejy Masina Misely Amparibe. Momba ny Mekanika, toy ny fahazoana ireo lalàn'ny fihetsehana malalaka (free fall), ny fihodinana ary ny fihetsehan'ny antona (pendulum) @ alalan'ny tranga-pihetsehana, no tontosaina @ ity taom-pianarana ity ary miantefa @ kilasy Voalohany siantifika. Marihana fa ny teny malagasy no teny fampianarana (fanazavana, voambolana ary fanoratana) amin'izany, miampy ireo voambolana vahiny tekinika mifanaraka @ ireo voambolana malgasy ho ampidirana. Misy fiaraha-miasa @ ireo mpampianatra fizika vitsivitsy eny Ambohitsaina sy ny mpahay teny malagasy ny famolavolana io fampianarana io.

Ho tohizana @ lohahevitra hafa (ohatra, fanohizana ireo lohahevitra taloha) ny fanoratana @ manaraka.