15/01/2009

Taona vaovao

Salama daholo ary miarahaba antsika tratry ity taona vaovao ity.

Tsiahy momba ireo tranga nanamarika ny faran'ny taona 2008, sy ireo asa sy hetsika @ ity taona 2009 ity no hifampizarana.
Ny loka Nobel 2008: mpifizikan'ny avo angovo teorika no nahazo izany loka izany. Voka-pikarohana mikasika ny fitsipika fizika, antsoina hoe fitsipikin'ny fifandrifiana vaky voatampoka (spontaneous broken symmetry's principle), izay ahafahana mampitombona ny teoria robo ny fifanetsehana (gauge theory of interactions) [Tsy mbola haiko ny manazava an'io fitsipika @ alalan'ny resaka ary tsy mbola tena nohalaliniko koa ny antsipirin'ireo kajy.].
Ny famelomana ny LHC: t@ 9 septambra 2008 no novelomina ny fampifandonana vainga bitika Large Hadron Collider (LHC) ao @ Centre Européen pour la Recherche Nucléaire (CERN). Misy mpikaroka sy mpianatra malagasy ihany mandray anjara eo @ lafiny teoria (momba ny teorian'ny aty ny atimatiera (theory of nucleon's constituants)) sy fanandramana (momba ny zotra avo henjan'aratra ny fitaovam-pitiliana VELO ao @ LHCb, ny fiantraikan'ny fahadisoam-pitiliana @ haitranga fipotsahana) @ io fanandramana atao ao CERN io. Ny vaovao farany dia nisy fahasimban'ireo andriamby sasany tao @ LHC ary niteraka ny fanohizana ny fanodinana ny LHC ho @ jolay-aogositra 2009 faharafaha-alohany na @ 2010 indray [raha tsy misy ny sampona].
Ireo asa sy hetsika 2009: Ho an'ny ivotoerana i@HEP-MAD dia eo ny fanamafisana ny fikarohana @ alalan'ny tetik'asa fananganana tarika FAA fanandramana handray anjara @ sampam-panandramana LHCB, ny fanohizana ny asa teorika momba ny fampizotrana AdS/CFT sy ny fampiharana azy @ Fomba Fihetsika Voafatra ny Loko (F2VL) (Quantum Chromodynamics (QCD)), ny fianarana Fizikan'ny vainga bitika toy ny fikajiana taha fipotsahana, velara-dona, kajy olika @ fitendron'ny efitra (loop computation of vacuum polarization), famarana ny vesatr'aratrika ny electron (renormalization of electric charge) .
Eo am-pamolavolana ny fandaharam-pampianaran'ny lalam-piofanana Fizikan'ny avo angovo koa ny tompon'andraikitry ny Dingana fahatelo @ sampana Fizikan'ny aty matiera, Fizika Teorika sy Fizika mihatra, ao @ Departemanta Fizika eny Ambohitsaina.
Farany, hanomboka rahampitso ny fampianarana Fizika Fanandramana (Experimental Physics) atao ao @ Kolejy Masina Misely Amparibe. Momba ny Mekanika, toy ny fahazoana ireo lalàn'ny fihetsehana malalaka (free fall), ny fihodinana ary ny fihetsehan'ny antona (pendulum) @ alalan'ny tranga-pihetsehana, no tontosaina @ ity taom-pianarana ity ary miantefa @ kilasy Voalohany siantifika. Marihana fa ny teny malagasy no teny fampianarana (fanazavana, voambolana ary fanoratana) amin'izany, miampy ireo voambolana vahiny tekinika mifanaraka @ ireo voambolana malgasy ho ampidirana. Misy fiaraha-miasa @ ireo mpampianatra fizika vitsivitsy eny Ambohitsaina sy ny mpahay teny malagasy ny famolavolana io fampianarana io.

Ho tohizana @ lohahevitra hafa (ohatra, fanohizana ireo lohahevitra taloha) ny fanoratana @ manaraka.

20/09/2008

Alexander Grothendieck

Salama daholo.

Fampahafantarana ny fiainan'i Alexander Grothendieck sy ireo fitsipika vitsivitsy nampihariny matetika t@ fiainany, araky ny tantara no anaovana lahatsoratra eto. Tsy hiditra @ an-tsipiriny ny lahatsoratra fa haneho fotsiny ihany ireo tranga sy lafiny hitan'ny mpanoratra mamintina ny fiainany.

Ny fahazanany. I Alexander Grothendieck dia mpimatematika, teraka tao Berlin t@ taona 1928. Ny rainy, Alexander Shapiro na Alexander Tanaroff taty aoriana, dia teraka tao Novozybkov ta@ taona 1889, mpitolona sy tsy mpankasitra rafi-pitondrana sy ny tsindry hazolena t@ madinika t@ izany ary nisy fotoana nigadra aman-taonany noho izany. T@ fotoana nahaterahan'i Grothendieck dia mpitolona mitovitovy amin'i Shapiro ihany koa ny vadiny, renin'i Grothendieck. Nitolona hatrany na teo aza ny asa fivelomany toy ny fakana sary, ary maty t@ taona 1942 tany @ ireo toby figradrana ny Jiosy t@ ady lehibe faharoa ireny angamba raha ny tantara.
Ny renin'i Grothendieck, Johanna (Hanka) Grothendieck, dia teraka tao Hamburg t@ taona 1900, mpiara-mitolona amin'ny vadiny, nisy fotoana niara-nigadra t@ Grothendieck zanany tany @ toby nitazomana Jiosy t@ ady lehibe faharoa. Taty @ taona 1957 no maty izy rehefa narary natetika taona maro taloha sy volana vitsivitsy talohan'ny fahafatesany.
Ny fahazazan'i Grothendieck dia nanomboka t@ fiarahany t@ ray aman-dreniny nandritry ny 5 taona, narahin'ny fandefasana azy t@ fianakaviana mpiahy nandritra ny 6 taona, ny fihazonana t@ ireo fanatobina Jiosy tao Frantsa (Mende niaraka t@ reniny avy eo Chambon-sur-Lignon izy irery) izay nahafahany nandeha nianatra ihany.

Ho tohizana @ manaraka ny fahatanorany sy ny fanombohany ny asa maha-mpimatematika.

10/07/2008

Vaovao sy fifandraisana

Salama daholo.
Maromaro ireo vaovao nandritra izay fotoana tsy nanoratana izay.

Ao @ i@HEP-MAD: mpianatra-mpikaroka roa no nahavita DEA sy dokotora avy teto @ i@HEP-MAD. Ny asa soratra DEA, izay nataon'i Fenompanirina Andrianala dia mikasika ny asa fanampy kajy @ FAA fanandramana (software in experimental HEP) nataony nandritra ny telo volana latsaka tany CERN. Raha velabelarina dia momba ny fanatsarana ny fomba fiasan'ny fitaovan-kajy (logiciel) GAUSS izay mimodely sy mimody (simulate) ilay fitiliana LHCb ao @ fampifandonana LHC.
Ny asa soratra dokotora, izay nataon'ny mpanoratra, dia mifantoka @ verim-panenitra (renormalization) sy ny fifanetsehana (interaction) @ teorian'ny saha voafatra (TSV). Izany dia mampiseho ireo olana ara-kajy ny TSV ankehitriny -- ny fivorahan'ireo halehibe fizika (divergence of physical quantities) -- sy vahaolana omen'ny teoria verim-panenitra, izay manazava ny fiankinan'ny TSV manaraka ny sikalin'ny angovo (energy scale) hijerena azy, ary fanolorana modely haiherijika (probabilistic model) ny fifanetsehana @ TSv hisorohana ireo olana fivorahana.

Fiofanana: ny mpanoratra dia nandray anjara t@ sekoly-fiofanana momba ny fifampizotrana AdS/CFT (AdS/CFT correspondence) tany ICTP ny 19-30 may teo. Nahafahana nanamafy ny fikarohana ataoko @ io lohahevitra io izany fiofanana izany. Hitako mbola betsaka ny fahalalana ilaiko hifehezana ny manodidina an'io lohahevitra io. Teo koa ny olana @ fahaverezan'ny teny anglisy hainoana sy tenenina, izay azo namboarina t@ alalan'ny fifantohana sy ny fahalalana FAA ihany. Nisy koa ny fifandraisana napetraka teo amin'ny mpandray anjara,izay nahatsapana fa misy ny mahafehy tsara ny seha-pikarohana misy azy. Farany, raha oharina @ eto @ i@HEP-MAD dia ny fotoana hikarohana sy hifampiresahan'ny mpikaroka momba ny asany no betsaka lavitra any @ io ivotoerana io; ivelan'ny fianarana sy ny fikarohana dia ny misakafo sy ny matory ihany (dia manasa lamba koa) no adidin'ny mpandray anjara tany.
Amin'izao fotoana izao dia Ramarovelo Hugues, mpianatra DEA eto @ i@HEP-MAD, no mandray anjara @ CERN summer student program mandritry ny roa volana eo ao @ fampifandonana LHC. Zotrana fitaovam-pitiliana antsoina hoe LHCb online system) ao @ LHCb no iasany ary mifantoka @ fibaikona zotra (network) ao sy fanamboarana fandaharan'asa fanampy kajy (software program) @ fitaovan-kajy (software) Python. NY fanarahan'ireo mpianatra i@HEP-MAD io CERN program io dia ahafahana mampivelatra ireo fahaiza-manao @ lafiny fanampy kajy sy ny fanandramana, mampiteraka fifandraisana manokana @ ireo mpianatra sy mpikaroka any CERN, ary farany fihariana koa satria mikarama izy ireo.
Andrianala Fenompanirina, mpianatra dokotera eto @ i@HEP-MAD, koa dia handray anjara @ sekoly momba ny Haikosmosy (cosmology) any ICTP ny 21 jolay hatramin'ny 1 aogositra izao. Ny fizotran'ny sekoly moa dia fanatrehana fampianarana (lectures) omen'ny mpikaroka vitsivitsy, sy fotoana adihevitra.
Ankoatra izay, ireo mpianatra hafa dia manohy manokana ireo fianarana DEA. Asa lehibe maika eto @ i@HEP-MAD ny fanatsarana fomba fianatra DEA satria tsy mbola betsaka ny fotoana hiaraha-mianatra na hiaraha-mikaroka araky ny voalaza tetsy aloha.

Fiaraha-miasa: Efa ho herintaona izao no nanomana fampianarana Fizika fanandramana ao Kolejy Masina Misely ny i@HEP-MAD. Mifantoka @ Mekanika ny fanomanana izao ary miantefa @ ireo mpianatra kilasy Voalohany siantifika izay hofantenina. Manomboka @ fanamboarana ireo fitaovam-panandramana mekanika misy @ Kolejy ny asa ary hatomboka @ volana Janoary 2009 ny fampianarana raha mety. Anisan'ny fanomanana ataon'ny i@HEP-MAD ny fitadiavana fanohanana sy fiaraha-miasa ivelany (Anjerimanantolon'Antananarivo, CNAPMAD) @ fanatanterahana ny fanamboarana.
Andraikitra sy asa ho an'ny i@HEP-MAD koa ny fanazavana ny asany @ Minisiteran'ny Angovo sy ny Sampana Fikarohana ao @ MENRS satria ireo no rafi-panjakana, ankoatry ny Anjerimanontolon'Antananarivo, afaka sy tokony manohana ny fikarohana sy fampiodonana ara-pitaovana sy ara-bola ny i@HEP-MAD. Any USA ohatra dia ny Departement of Energy (DOE), izay rafi-panjakana amerikanina, dia anisan'ireo manohana mivantana ny ivotoerana momba ny FAA. Miaraka @ fahatongavan'ny fitrandrahana ireo harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara dia andraikitsika ny manantona sy manazavana ny drafitra fivoarana kendrintsika hampiodonana ny i@HEP-MAD @ ireo sampam-panjakana roa ireo.

Ireo tanjona: Notsindrin'ny Tale mpanorina ny i@HEP-MAD fa mila mifantoka @ lohahevi-pikarohana iray ny mpianatra-dokotera sy dokotera tsirairay ato @ ivotoerana. Izany dia mba ahafahan'ny tsirairay ho lasa mpifehy (specialist) ka ahafahan'ny ivotoerana miara-miasa @ ireo ivotoerana FAA vahiny. Izao mantsy, tsy hisy fiaraha-miasa mitovy tantana eo @ i@HEP-MAD sy ireo ivotoerana FAA vahiny raha tsy misy lohahevi-pikarohana mazava afaka hidiran'ny roa tonta; ny fidirana @ lohahevi-pikarohana FAA iray anefa dia mitaky mpifehy mikaroka manodidina io lohahevi-pikarohana io.
Toy izao no ireo dingana mety mankany @ izany fifehezana lohahevi-pikarohana FAA izany.
1. mamantatra sy mahazo teoria FAA momba ilay lohahevitra, izany hoe mampivoitra ny rafitr'ilay teoria, manao kajy sy mampiasa ireo fitaovam-pikajian'ilay teoria, ary manamarina ireo vahaolana efa nomen'ilay teoria FAA misy;
2. mamantatra sy mahazo ireo olana tsy mbola voavahan'ilay teoria FAA, izany hoe mijery ireo fanitarana mety azo atao;
3. mamaha ireo olana, izany hoe mamorona rafitra sy fitaovam-pikajiana vaovao @ alalan'ilay teoria FAA niaingana ohatra.
Araka izany dia mifantoka @ ireo fikajina antsipiriny ireo kajy fototra FAA ny seminera eto @ i@HEP-MAD mba hiroso hatrany mankany @ fifehezana.

Izay no tiana hozaraina fa @ manaraka indray.

20/03/2008

Mety ho lasa mpifizikan'ny avo angovo ve?

Salama daholo.

Hitady valiny @ io lohateny fanontaniana io no antony hanoratana.
Voalohany, ireo asan'ny mpifizika FAA dia sokajina toy izao: mandalina ireo teoria fizika misy, manazava ireo tranga fizika sy olana fizika, mizara ireo fandalinana sy fanazavana momba ny FAA. Ny fanatanterahana ireo asa telo ireo no maha-mpifizika ary ireto manaraka ireto
ireo toetra afaka mamaritra io fanatanterahana io.

Fotoana hiasana FAA. Ireo asa ireo dia mitaky fotoana izay azo zaraina toy izao:
- ny fotoana hiasana manokana, izay ahitana fotoana iasana @ ampahan'asa iraisana (tetik'asan'ny toeram-pikarohana ohatra), sy fotoana iasana @ asa feno (fikarohana manokana).
Ny fotoana faharoa dia ilay mpifizika ihany no mamaritra azy. Ilay karazam-potoana voalohany kosa dia miankina betsaka @ fifanarahan'ireo mpiara-miasa;
- ny fotoana hiasana miaraka, izay ahitana fotoana iasana @ tetik'asan'ny toeram-pikarohana (tetik'asa iraisam-pirenena), sy fotoana iasana anaty vondrona mpifizika (famoahana voka-pikarohana anaty gazety);
- ny fotoana hizarana ireo asa FAA, izay atao @ alalan'ny fampianarana na seminera.

Endrik'asa FAA. Ho an'ireo vondrona mpianatra (AEA-mpidokotera) dia ny fianarana FAA miendrika asa manokanana miaraka arahina tatitra na seminera. Ho an'ireo vondrona mpifizika (dokotera no miakatra) dia:
- ny tetik'asa iarahana @ mpiara-miombin'antoka eto an-toerana (anjery manontolon'Antananarivo, Departemanta Fizika (Antananarivo), orinasa malagasy);
- ny tetik'asa iarahana @ mpiara-miombin'antoka any ivelany (ICTP, Univ Montpellier II, AIMS, samy toeram-pikarohana, sns);
- ny tetik'asa iraisam-pirenena (LHC, ILC,);
- ny fampianarana sy fitaritana seminera.

Voka-pikarohana FAA. Miendrika maromaro ireo vokatra azo avy @ asa-pikarohana FAA:
- ny famahana olana fizika. Ny olana fizika resahana eto dia oharina @ ilay mpifizika miatrika izany; izany hoe mety tsy ho olana izy io ho an'ny mpifizika hafa;
- ny famoahana lahatsora-pikarohana. Ity vokatra ity dia mety ho lafiny iray @ ilay vokatra voalohany satria mety ho famahana olana fizika ilay lahatsora-pikarohana. Amin'izay fotoana izay dia matetika vahaolana @ olana fizika iraisana no eken'ireo gazety fizika. Misy koa anefa ireo lahatsora-pikarohana izay lahatsoratra fanazavana miavaka momba lohahevitra iray efa voazava tany aloha;
- ny famelabelarana lohahevitra. Ity vokatra farany ity dia fanomezana fanazavana sy fanadihadiana momba lohahevitra, izay iarahan'ilay mpamelabetra mifanakalo amin'ireo mpifizika mitovy taranja aminy.

Toeram-piasana FAA. Amin'ny maha taranja hairaha fototra azy, dia misy lafiny teorika ny FAA izay azo tanterahana ao @ :
- toeram-pikarohana. Amin'ny akapobeany dia any @ ireo toeram-pikarohana no ahitana ireo foto-drafitra natokana @ fikarohana toy ny fitaovam-panandramana, ny solosaina, ny birao, sns. Toereana manamora ny fihaonana @ ireo mpikaroka mitovy taranja ny toeram-pikarohana ary afaka ahitana ireo endrik'asa voalaza tetsy ambony. Ny lafiny haitranga moa dia matetika anaty toeram-pikarohana no tanterahina;
- toeram-ponenana. Ho an'ireo mpifizika FAA dia toerana afahana miasa ny toeram-ponenana rehefa afahana mieritreritra, manoratra na mamaky lahatsoratra. Raha oharina @ ireo mpifizika FAA haitranga dia tsy mampiasa mivantana foto-drafitra manokana toy ny fampifandonana vainga bitika ireo mpifizika FAA teorika ka malalaka kokoa @ toerana afahany miasa. Mazava ho azy fa toerana hiasana manokana matetika ny toeram-ponenana;
- eny rehetra eny. Rehefa misy ireo fepetra hita any @ toeram-ponenana dia afahana miasa ihany koa eny rehetra eny.

Fehiny. Na dia eo aza ireo toetra mahazatra ahafantarana ireo mpifizika FAA any ivelany dia tsy voatery hanana ireo toetra feno ireo ny mpifizika malagasy vao azo antsoina hoe mpifizika FAA. Araka ny voalaza anefa dia ireo toetra notanisaina teo ambony ireo dia masotsivana ahafahana mamantatra ny mpifizika FAA na aiza na aiza misy azy.

Izay indray aloha ny androany. Hiezaka hampiditra ireo vontoantom-pikarohana miandalana @ izay atoato ary mety hatomboka @ Mekanika mba ahafeno ireo fanazavana @ ho avy.

22/02/2008

Samihafa

Salama daholo.

Fanamafisana sy vaovao samihafa no ho soratana eto.

Fizikan'ny angovo avo sy fizikan'ny avo angovo: Ny voalohany dia karazany manokana @ fizikan'ny angovo, izany hoe anarana hiantsona ny fizika manazava ireo toetran'ny angovo manana vaika lehibe; mitovy sokajy @ io taranja io ny fizikan'ny angovo iva (energetics) izay taranja-pikarohan'ny Ivotoerana malagasy mifehy ny Angovo (IME).
Ny fizikan'ny avo angovo indray dia ilay fizika manazava ireo tranga fizika eo @ tontolo bitika indrindra sy goavana indrindra.
Ireo tontolo roa toa mifanipaka ireo dia manana toetra mitovy: lehibe ny halehibe fizika manana daka (dimension) angovo ao raha oharina @ ireo hita @ tontolo salatsalany (eo anelanelan'ny bitika indrindra sy ny goavana indrindra). Izany hoe avo angovo ireo tontolo roa ireo, ary ny taranja fizika manazava ireo tranga fizika ao dia antsoina hoe fizikan'ny tontolo avo angovo na afohezina hoe fizikan'ny avo angovo.

Vaovao: Toy ny isan-taona dia misokatra indray ny fandraisana mpianatra any CERN Jiona-Septambra. Ny FAA haitranga fanampy kajy (phenomenology and software) sy ny FAA haitranga teorika (phenomenology and theory) no handraisana ireo mpianatra avy @ firenena rehetra indrindra avy @ ireo firenena zandriny eo @ sehatry ny FAA. Raha ny fahalalako, ny i@HEP-MAD sy ny LPMR, miaraka @ fikarakaran'ny Sampana Fizika eto Ambohitsaina sy Pr Stephan Narison, no nifandimby nandefa mpianatra tany CERN nanomboka ny taona 2001 ka manodidina ny fimaodelina (simulation) sy fanomanana faminanina (prediction) tranga FAA no lohahevitra tena nifantohan'ireo mpianatra malagasy tany (jereo eto sy eto).
Tamin'ireo mpianatra sasany ireo, amin'izao fotoana izao dia:
  • mpampianatra-mpikaroka ao @ LPMR-Antananarivo ny iray (Dr D. Randrianasoloharisoa),
  • mpianatra dokotera FAA haitranga any University of Glasgowny iray (B. Rakotomiaramanana),
  • mpianatra dokotera FAA haitranga any Institute for Nuclear Physics- Julich sady mpianatra-mpikaroka eto i@HEP-MAD ny iray (H.T. Randriamalala),
  • ary mpianatra DEA eto @ i@HEP-MAD ny iray (F. Andrianala).
Amin'ity taona ity dia manomana ny (na ireo) mpianatra ho alefa any ny i@HEP-MAD, izay fomba efa tafiditra @ fanofanana ireo mpianatra-mpikaroka ao aminy.

Farany, anisan'ny hetsika FAA (mety) ho atrehan'ireo mpikaroka eto @ i@HEP-MAD @ ity taona ity ny velakevitra QCD 08 (jereo koa ny rohy FAA) izay karakarain'ny Pr Stephan Narison ary atao any LPTA-Montpellier. Tafiditra @ ireo laharana velakevitra QCD efa nanomboka t@ 1985 io velakevitra io; fihaoanana hizaran'ireo mpifizika FAA manokana momba ny tranga fizaka eo anivon'ireo vainga mamorona ny aty matiera (nucleon), izay hazavain'ny teorian'ny Fomba Fihetsika Voafatra ny Loko (F2VL) (Quantum Chromodynamics (QCD)) @ izao fotoana. Amin'ity taona ity dia hifantoka @ ireto lohahevitra ireto ny velakevitra:
  • ny lafiny fanandramana, hiresehana ny vokatra F2VL andrasana @ ilay fampifandonana vainga bitika LHC, ny fipotsahana vainga aty matiera toy ny kaona (kaon) sy ny mesona B (B meson), sns;
  • ny lafiny teorika, hiresahana ny fandrosoan'ny F2VL, ny fifandraisana F2VL-Teorian'ny tady (string theory), ny F2VL haitranga, sns.
Ho an'ireo mpikaroka eto @ i@HEP-MAD dia fotoana hanatevenana ireo lohahevi-pikarohana sy hametrahana fifandraisana sy fiaraha-miasa @ ireo ivotoerana FAA hafa ny fanatrehana ny QCD 08. Ny fisian'ireo fitaovana FAA (fitaovam-panandramana, toera-pikarohana, vola) any ivelany dia manamora ny fikarohana ataon'ireo mpifizika FAA malagasy, izany hoe mampiteraka voka-pikarohana malaky raha oharina @ fikarohana eto an-toerana, ankoatra izay dia mampiseho ireo dingana sy fitsipika lehibe ahafahana manao FAA eto Madagasikara ihany koa toy ny famokarana teoria sy ny fifotorana @ fanandramana.
Vokatra (teorika) no resahina satria tiana asongadina fa mila mamokatra vao mahazo vola ary ny vola no fitaovana lehibe iray ahafahan'ny any ivelany mikaroka (jereo eto), ary ny fanandramana dia singa fototra @ FAA satria loharanon'ireo torohay ho an'ny teoria fizika, mampiavaka azy @ teoria matematika.

Amin'ny manaraka dia hiresaka vontoantom-pikarohana na fomba fiasa eo @ FAA.

04/01/2008

Taona 2008

Salama daholo.

Amin'izao taona vaovao izao dia faly miarahaba antsika rehetra ary mirary antsika hahatanteraka ireo andraikitra sy asa tokony hatao.
Ny lahatsoratra ho atao eto dia filazana vaovao @ ankapobeany.

HEP-MAD 07: Efa nivoaka teto t@ Zoma 21 desambra teo ny vakiraokan'ilay boky-velakevitra (proceedings) HEP-MAD 07, izay tsy mbola boky raikitra nohon'ny olana tekinika tamina lahatsoratra vitsivitsy. Marihina fa nohon'ny fisian'ireo mpitsara maharitra @ ireo velakevitra HEP-MAD sy ireo ao @ eConf SLAC, dia azo raisina ho voka-pikarohana (publication) iraisam-pirenena ireo lahatsoratra mivoaka @ ireo boky-velakevitra HEP-MAD. Ary nohon'ny fitakiana voka-pikarohana iraisam-pirenena @ ireo mpianatra fizika malagasy @ famenoany ny dokotora dia sehatra iray ahafahan'izy ireo mameno ny dokotorany ny fandraisany anjara ho mpandaha-teny (speakers) @ velakevitra HEP-MAD.
Ivotoerana i@HEP-MAD: Manana tranokala izao ny ivotoeram-pikarohana malagasy momba ny Fizikan'ny avo angovo sy ny fizikan'ny tontolom-be, izay notontonsain'ny mpanorina ny ivotoerana, Stephan Narison. Izany tranokala izany dia ahitana 1) fanolorana ny ivotoerana (ireo tompon'andraikitra, ireo asa fikarohana sy fanofanana,...) , 2) tohy vitsivitsy @ ireo tranokala mitana lahatsora-pikarohana toy ny Word Scientific, ary tohy @ tranokalan'ireo velakevitra HEP-MAD.
Izay no vaovao nisongadina tato ato; @ lahatsoratra manaraka dia hiezaka hanohy ireo lohahevitra napetraka tany aloha.
Manamarika dingana vaovao ny fanomboahan'ny taona koa mamerina ny firarin-tsoa antsika hahatanteraka ireo fikasana mifanaraka @ tokony ho izy.

13/12/2007

Mianatra FAA

Salama daholo.

Hanoratra momba ny fianarana FAA aho anio fa tsy mbola afaka hiditra @ vontoantom-pikarohana ato @ i@HEP-MAD.
Ho tohin'ny vaovao farany anefa dia nivaly io hariva io ny fanadinana A.E.A sokajy Fizikan'ny aty matiera sy Fizikan'ny avo angovo. Afaka soamantsara ireo mpianatra-mpikaroka i@HEP-MAD, izay nitazona ny laharana roa voalohany sy ny afovoany. Ho azy ireo indrindra ary ho an'ireo rehetra te-handalina ny taranja FAA no miantefa ity lahatsoratra ity.
Raha ny tokony ho izy dia manomboka @ fianarana ny fihaonan’ny olona iray @ FAA satria mitaky fahalalana teorika – matetika indrindra omena any am-pianarana – ny fanaovana ny FAA. Araky Gerard 't Hooft, mpifizika ao @ Institute for Theoretical Physics, Universiteit Utrecht (the Netherlands), anefa dia tsy voatery miandry ny fidirana eny @ anjery manontolo ny fianarana FAA satria efa maro ireo fahalalana azo ratovina malalaka @ tranokala.

Famaritana. Mianatra dia mety midika hoe miezaka ny hahazo fanazavana iray ka mampiteraka fanazavana manokana ho an’ilay mpianatra. Azo anampina io famaritana io koa anefa ny famolavolana fanazavana miainga amin’ireo tsapa. Raha jerena avy amin’ireo famaritana efa natao dia mitovy @ fandrindrana ihany ny fihezahana mahazo raha faritana toy izao:

Fian^0 : Teny --> Hevitra,
Fian^1 : Fanazavan'ireo mpampianatra --> Fanazavana manokana.

Araka izany, ny fianarana FAA dia midika ho fanamboarana ireo mandray roa Fian sy Fiz. Na miteraka ’fitoviana’ eo @ ireo fanazavana manokana aza ny fampiasana ny fandrindrana iraisambe toy ny Matematika dia asa manokana ny mianatra satria samy manana ny fandrindrany ireo fanazavan’ny mpampianatra ny mpianatra tsirairay.
Ohatra, misy mpianatra A mahita fa ny rafitra matematikan’ny Teorian’ny saha voafatra (TSV) no manan-danja nohon’ny famoahana refy teorika sy fampitana izany @ refy fanandramana, ary mpianatra B mahita mifamadika @ izany. Hisy fahasamihafana lehibe ny fomba fianatr’izy ireo ny TSV sy ny lanja homen’izy ireo io teoria io eo @ FAA. Rehefa hianatra TSV izy ireo, ilay mpianatra A hiezaka hianatra matematika sy fizika teorika kokoa ary ilay mpianatra B mety hianatra fizika teorika sy haitranga (phenomenology) kokoa.

Ireo hianarana. Anisan’ireo mila hianarana @ FAA :
ny hevitra miasa sy ny famaritana ny Tontolo fizika. Raha tsotsorina dia azo oharina @ sarimihetsika iray ny tantaran’ny tontolo fizika ka ireo hevitra miasa fizika no kiolona (role). Iza no ireo mpilalao? Valiny: ireo tsapa;
ny fitsipika sy ny modely fizika. Ireo fitsipika fizika no mamaritra ny lalaon’ireo hevitra miasa. Lazaina fa mazava ny lalao rehefa mirindra ny fihetsem-po ny mpijery sy ny lalao.
ny famahana olana fizika. Rehefa afaka mamaha olana fizika, izany hoe manome valim-panontiana mifanaraka @ tranga fizika, ny modely na teoria fizika iray dia afaka tohizana ny fandalinana azy. Tsy midika izany fa tsy tokony halalinina ireo modely fizika tsy mahavaha olana (mazava ho azy).

Fomba fianatra. Fomba fianarana mety ny fanasokajiana ireo hevitra sy fitsipika hianarana, izany hoe fandaharana manaraka ny lanjany ireo hevitra sy fitsipika hita. Ny fandaminana ny fotoana sy ny toerana hianarana dia dia antoka lehibe iray @ fandratona ny fahalalana.
Fotoana sy toerana hianarana. Ny fandehanana an-tongotra (ohatra rehefa mody na handeha any am-pianarana) dia toerana sy fotoana ahafahana mametraka soritr’asa, izany hoe fanomanana ireo fianarana tiana hifantohana atoato, sy fisintonana hevitra tiana ho halalinina. Matetika dia eny am-pandehanana no hamolavolana ireo fijery ankapobeany momba lohahevitra iray. Ny fitsorana ao am-pandriana dia manampy @ fisainana miadana momba kajy na fandalinan-kevitra mety ho an-tenany na lavitr’ezaka ary hamifisin'i A. Connes eto izany. Farany, ny fianarana eo @ latabatra dia fomba ahafahana mandrafitra ireo hevitra an-tsoratra ary fomba fanaovana asa soratra @ ankapobeany. Matetika dia fanarotana ambony latabatra no hanamboarana ireo kajy na porofo (an-tsoratra).
Fandrindrana ny votoantom-pianarana sy ny fotoana. Azo fehezina @ ity fanoharana manaraka ity io fomba fiasa io. Misy entana enin-lafy maromaro, manana halehibe isan-karazany, mipetraka @ toerana samihafa, izay mila hangonina @ toerana iray. Maro ireo fomba fanangonana azo atao ary vitsivitsy amin’izy ireo no mahomby (haingana, tsy manimba zavatra, sns). Ny entana eto dia manambara ny votoantom-pianarana, ny halehibe dia mety manambara ny fahamoran’ilay vontoantom-pianarana na ny maha-fototra azy, ny (fomba) fanangonana dia manambara ny (fomba) fianarana.
Ny fanoratana. Mety raha raisina an-tsoratra ireo fianarana rehetra atao satria manampy ny fanazavana sy ny entitra ny fanarotana ny eritreretina, mora ampiasaina sy hiverena ny soratra aty aoriana, mora ampitaina ny hevitra ny soratra satria @ alalany matetika no ahafahana milaza @ fomba hentitra ny hevitra voavolavola. Rehefa manoratra fehezan-kevitra iray dia tsara raha arahina fehizan-teny manambara ilay hevitra sy manazava izany.
Tsy maintsy atao ny fandraisana an-tsoratra ireo kajy na fanamarinana rehetra natao mikasika lohahevitra iray satria mitaky ireo porofo ireo hatrany ny mpihairaha manodidina (mpampianatra-mpikaroka, mpampianatra-mpitarika, mpitsara asa soratra, gazety hairaha). Araka izany dia mila mahay manoratra mba ho voarakitra ao anatin’izay voasoratra ny hevitra feno tiana hambara. Anisan’ny fomba fanoratana mety ny fandaharana tsara ireo teny, indrindra rehefa lava ny fehezan-teny soratana.
Ny famakiana lahatsoratra. Fomba fianatra lehibe ny famakiana asa soratra fampianarana na fikarohana @ taranja FAA. Rehefa te-handalina lohahevitra iray @ alalan’ny famakiana dia toy izao ny fizotra-pamakiana afaka arahina:
- ny famakiana fijery ankapobeany, ahazoana mametraka ilay lohahevitra ao anatin’ny tontolo-kevitra lehibe kokoa – ara-tantara, ara-olona (ireo mpikaroka mpitarika momba ilay lohahevitra), ara-lohahevitra (ireo lohahevitra mifandray, ireo lohahevitra manarona) – mba ahazoana fanazavana tsotra (tsy misy kajy firy) momba ilay lohahevitra. Santionany @ ireo toerana ahitana io karazana asa soratra io ny blog, ny tantaram-piainana mpikaroka mpitarika, ny fanehoan-kevitra mpikaroka ’azo antoka’ (Amin’ny ankapobeany dia ireto masotsivana ireto no miantoka ny mpikaroka: ny toerana nianarany, ny asa sorany an-gazety, ny toeram-piasana, ireo mpiara-miasany,ireo fanomezana azony. Karazana toeram-pikarohana FAA azo antoka – ao Eropa – IHES, MPI, Korteweg-de Vries Institute, Oxford, Cambridge, ICTP, – ao Amerika – IAS, MIT, Berkeley, Princeton, Stanford, Harvard, Columbia, CalTech. Ireo fanomezana azo antoka: loka Nobel, medaly Fields, loka Einstein, loka Abel.), ny arXiv;
- ny famakiana naoty bosy (lecture notes), ahazoana fanazavana lalina sy fohy (tsy misy porofo firy) momba ilay lohahevitra. Toy ny fianarana any an-dakilasy ny famakiana naoty bosy satria natao ampitaina any an-dakilasy izy ireny. Toerana mety ahitana naoty bosy: naoty bosy misokatra (OpenCourseWare), tranokala-na mpikaroka, tranokalan’anjery manontolo, tohy @ blog, arXiv;
- ny famakiana boky, ahazoana fanazavana lalina sy feno momba ilay lohahevitra. Ny boky izany no firaketana an-tsoratra farany momba ireo fanazavana misy manodidina lohahevitra iray. Toerana misy boky: tranokala-na mpikaroka, tohy @ blaogy;
- ny famakiana sora-pikarohana: ahazoana fanazavana lalina sy feno ary fohy momba ilay lohahevitra, sy ahazoana manitatra ilay fanazavana. Gazety hairaha @ tranokala: arXiv, Euclid project, PROLA, Jstor. Marihana koa fa azon'ireo ivotoerana (fikarohana sy fampianarana) malagasy ny misoratra anarana @ tranokala Madagascar Digital Library, ahafahana miditra maimaim-poana @ ireo tranokala mitahiry sora-pikarohana andoavam-bola toy ireto.
Ny fitenenana. Araka izay mety, dia tsara raha fehezan-teny no lazaina. Ny fitenenana dia ahafahana manamboatra sy manazava fehezan-kevitra @ fomba haingana oharina @ fanoratana na ny famakiana; araka izany dia maro kokoa torak’izany ireo fehezan-kevitra voambotra sy voazava. Matetika dia azo hatsaraina hatrany ny teny lazaina, na ny hevitra ambarany, na ny firindran’izy roa ireo. Azo faritana tsikelikely izany ny fehezan-kevitra tiana hambara @ alalan’ny fanavaozana miandalana ny fehezan-teny lazaina; midika fampiasana fehezan-teny maromaro entina milaza ny fehezan-kevitra tiana hampitaina izany.
Ny fiaraha-mianatra. Ireo mpianatra any Be kintana Amerika dia manana fomba fianatra mandeha tsiroaroa. Mety ho tsara ho an’ny mpianatra FAA raha mamaritra fifandraisana sy fiaraha-miasa manokana isaky mpiara-mianatra sy mpampianatra, izay azo velomina isaky ny fifanenana. Afaka ampitovina ireo fifandraisana atao amina olona maromaro. Ireo fiaraha-mianatra sy fiaraha-miasa ireo dia mampitombo ny fanazavana azon’ny mpianatra satria mampiasa ireo fotoana ahazoana mianatra izany.

Mbola maro ireo lohahevitra tsy voasoratra momba ny fianarana FAA toy ny toe-tsaina enti-mianatra. Ho ezahana ny hanoratra momba io lohahevitra io @ manaraka.