11/08/2007

Blog iraisana momba ny Fizika sy Matematika fototra

Salama daholo.

Momba ny famelomana blog momba ny Matematika sy Fizika fototra (fundamental) no ho soratana manaraka eto.

Famaritana: Ny blog dia karazana gazety hita @ web misahana lohahevitra manokana, izay ahitana 1) lahatsoratra matetika avoakana vondrona olon-tsotra (tsy voatery mpanao gazety) antsoina hoe mpi-blog, 2) fanehoan-kevitra momba ilay lahatsoratra ataon’ireo mpijery tranokala, ary 3) valin-teny ataon’ny mpanoratr’ilay lahatsoratra.

Tanjona sy fomba fiasa: Afaka ho tanjona lehibe iombonan’ireo mpi-blog amin’ny famoronana blog iray ireto manaraka ireto:
• ny fametrahana fifandraisana malalaka (tsy misy sivana firy) sy haingana (eo am-perinasa) ary mitohy eo @ ireo mpi-blog sy ny manodidina azy ireo.
• ny fizarana fahalalana malalaka sy haingana (manaraka ny vanim-potoana) ary mitohy amin’ireo manodidina (mpianatra, mpikaroka na olon-tsotra).
• ny fametrahana sehatra malalaka sy haingana ary mitohy itsirin’ny fiaraha-miasa.
Toy izao no fomba fiasa azo apetraka:
• ireo lahatsoratra avoaka dia misahana fijery ankapobeany (tsy misy kajy firy) momba ny Fizika sy ny Matematika fototra, izay misokajy toy izao:
1. vaovao momba lohahevitra eto an-toerana na iraisam-pirenena;
2. tantara momba ny famolavolana lohahevitra;
3. fifandraisana misy eo @ lohahevitra maromaro;
4. fikarohana sy fanazavana tsotsotra momba lohahevitra;
• ireo mpi-blog dia mpianatra Dingana fahatelo na mpampianatra-mpikaroka eo anivon’ny Sampana Matematika sy Fizika. Mpi-blog efatra na dimy no miaraka ao anatin’ilay blog mba ivelaran’ny fifandraisana bebe kokoa (mihoatra ity blog Fizikan'ny avo angovo ity izay ahitana fanehoan-kevitra iray hatramin'izao).
• ny mpi-blog iray dia malalaka @ famoahana lahatsoratra voasokajy etsy ambony sy @ famaliana ireo fanehoan-kevitra mikasika ny lahatsoratra navaokany. Afaka mamoaka lahatsoratra voasonia nomen’ireo mpikaroka namany ny mpi-blog. Marihana fa mitovy @ fandefasana e-mail ny fandefasan’ny mpi-blog ny lahatsorany @ ilay blog.
Ho enti-manana sy fitantanana: Toy izao no azo atao:
• mpi-blog: mpikaroka manodidina lohahevitra manokana, manana fotoana hizarana ny heviny sy hahalalany ny hevitry ny hafa;
• solosaina mifandray @ web: tranokalo @ web mampiantrano (maimaim-poana) ilay blog toy ny www.blogger.com ;
• fitantanana: ireo mpi-blog rehetra dia miaraka mitantana ny fiainan’ny blog (fametahana dokam-barotra, fametahana tohy, sns).
Andraikitra: Ireo mpi-blog dia samy tompon’andraikitra @ ireo lahatsoratra navoakany. Ireo mpi-blog dia tsy tompon’andraikitra @ ireo fanehoan-kevitra voasoratra ao @ blog kanefa andraikitr’izy ireo no manivana ireo fanehoan-kevitra mivoana (ompa, fihantsiana hanao ratsy). Ireo mpi-blog rehetra dia manaraka fitsipi-pifehezana takian’ilay tranokala mpampiantrano.

Asa hanakory ny akony ity lahatsoratra ity satria, ankoatra ireo namana sy olom-pantatra vitsivitsy, tsy fantatra ireo mpamaky ity blog ity.
Raha tsy misy fiovana dia ho tohizantsika ny lahatsoratra momba ny asa fikarohana sy fampianarana FAA @ manaraka.

2 commentaires:

Eugene Heriniaina a dit…

Ary sao dia mety hahafinaritra raha ao amin'ny blaogy.com no hasiana azy ity? Na koa ao amin'ny blaogy.org?

Herintsitohaina M. Ratsimbarison a dit…

Ny toerana misy ity blaogy ity angamba tsy olana. Ilay blaogy iraisana momba ny fizika sy matematika fototra no tsara raha atao ao @ blaogy.com na blaogy.org.
Ankoatra izay, misy mahalala blaogy malagasy iraisana momba lohahevitra voafaritra iray (ny toekarena ohatra) ve ianareo? Misaotra mialoha.