20/03/2008

Mety ho lasa mpifizikan'ny avo angovo ve?

Salama daholo.

Hitady valiny @ io lohateny fanontaniana io no antony hanoratana.
Voalohany, ireo asan'ny mpifizika FAA dia sokajina toy izao: mandalina ireo teoria fizika misy, manazava ireo tranga fizika sy olana fizika, mizara ireo fandalinana sy fanazavana momba ny FAA. Ny fanatanterahana ireo asa telo ireo no maha-mpifizika ary ireto manaraka ireto
ireo toetra afaka mamaritra io fanatanterahana io.

Fotoana hiasana FAA. Ireo asa ireo dia mitaky fotoana izay azo zaraina toy izao:
- ny fotoana hiasana manokana, izay ahitana fotoana iasana @ ampahan'asa iraisana (tetik'asan'ny toeram-pikarohana ohatra), sy fotoana iasana @ asa feno (fikarohana manokana).
Ny fotoana faharoa dia ilay mpifizika ihany no mamaritra azy. Ilay karazam-potoana voalohany kosa dia miankina betsaka @ fifanarahan'ireo mpiara-miasa;
- ny fotoana hiasana miaraka, izay ahitana fotoana iasana @ tetik'asan'ny toeram-pikarohana (tetik'asa iraisam-pirenena), sy fotoana iasana anaty vondrona mpifizika (famoahana voka-pikarohana anaty gazety);
- ny fotoana hizarana ireo asa FAA, izay atao @ alalan'ny fampianarana na seminera.

Endrik'asa FAA. Ho an'ireo vondrona mpianatra (AEA-mpidokotera) dia ny fianarana FAA miendrika asa manokanana miaraka arahina tatitra na seminera. Ho an'ireo vondrona mpifizika (dokotera no miakatra) dia:
- ny tetik'asa iarahana @ mpiara-miombin'antoka eto an-toerana (anjery manontolon'Antananarivo, Departemanta Fizika (Antananarivo), orinasa malagasy);
- ny tetik'asa iarahana @ mpiara-miombin'antoka any ivelany (ICTP, Univ Montpellier II, AIMS, samy toeram-pikarohana, sns);
- ny tetik'asa iraisam-pirenena (LHC, ILC,);
- ny fampianarana sy fitaritana seminera.

Voka-pikarohana FAA. Miendrika maromaro ireo vokatra azo avy @ asa-pikarohana FAA:
- ny famahana olana fizika. Ny olana fizika resahana eto dia oharina @ ilay mpifizika miatrika izany; izany hoe mety tsy ho olana izy io ho an'ny mpifizika hafa;
- ny famoahana lahatsora-pikarohana. Ity vokatra ity dia mety ho lafiny iray @ ilay vokatra voalohany satria mety ho famahana olana fizika ilay lahatsora-pikarohana. Amin'izay fotoana izay dia matetika vahaolana @ olana fizika iraisana no eken'ireo gazety fizika. Misy koa anefa ireo lahatsora-pikarohana izay lahatsoratra fanazavana miavaka momba lohahevitra iray efa voazava tany aloha;
- ny famelabelarana lohahevitra. Ity vokatra farany ity dia fanomezana fanazavana sy fanadihadiana momba lohahevitra, izay iarahan'ilay mpamelabetra mifanakalo amin'ireo mpifizika mitovy taranja aminy.

Toeram-piasana FAA. Amin'ny maha taranja hairaha fototra azy, dia misy lafiny teorika ny FAA izay azo tanterahana ao @ :
- toeram-pikarohana. Amin'ny akapobeany dia any @ ireo toeram-pikarohana no ahitana ireo foto-drafitra natokana @ fikarohana toy ny fitaovam-panandramana, ny solosaina, ny birao, sns. Toereana manamora ny fihaonana @ ireo mpikaroka mitovy taranja ny toeram-pikarohana ary afaka ahitana ireo endrik'asa voalaza tetsy ambony. Ny lafiny haitranga moa dia matetika anaty toeram-pikarohana no tanterahina;
- toeram-ponenana. Ho an'ireo mpifizika FAA dia toerana afahana miasa ny toeram-ponenana rehefa afahana mieritreritra, manoratra na mamaky lahatsoratra. Raha oharina @ ireo mpifizika FAA haitranga dia tsy mampiasa mivantana foto-drafitra manokana toy ny fampifandonana vainga bitika ireo mpifizika FAA teorika ka malalaka kokoa @ toerana afahany miasa. Mazava ho azy fa toerana hiasana manokana matetika ny toeram-ponenana;
- eny rehetra eny. Rehefa misy ireo fepetra hita any @ toeram-ponenana dia afahana miasa ihany koa eny rehetra eny.

Fehiny. Na dia eo aza ireo toetra mahazatra ahafantarana ireo mpifizika FAA any ivelany dia tsy voatery hanana ireo toetra feno ireo ny mpifizika malagasy vao azo antsoina hoe mpifizika FAA. Araka ny voalaza anefa dia ireo toetra notanisaina teo ambony ireo dia masotsivana ahafahana mamantatra ny mpifizika FAA na aiza na aiza misy azy.

Izay indray aloha ny androany. Hiezaka hampiditra ireo vontoantom-pikarohana miandalana @ izay atoato ary mety hatomboka @ Mekanika mba ahafeno ireo fanazavana @ ho avy.