Salama daholo.
Fanamafisana sy vaovao samihafa no ho soratana eto.
Fizikan'ny angovo avo sy fizikan'ny avo angovo: Ny voalohany dia karazany manokana @ fizikan'ny angovo, izany hoe anarana hiantsona ny fizika manazava ireo toetran'ny angovo manana vaika lehibe; mitovy sokajy @ io taranja io ny fizikan'ny angovo iva (energetics) izay taranja-pikarohan'ny Ivotoerana malagasy mifehy ny Angovo (IME).
Ny fizikan'ny avo angovo indray dia ilay fizika manazava ireo tranga fizika eo @ tontolo bitika indrindra sy goavana indrindra.
Ireo tontolo roa toa mifanipaka ireo dia manana toetra mitovy: lehibe ny halehibe fizika manana daka (dimension) angovo ao raha oharina @ ireo hita @ tontolo salatsalany (eo anelanelan'ny bitika indrindra sy ny goavana indrindra). Izany hoe avo angovo ireo tontolo roa ireo, ary ny taranja fizika manazava ireo tranga fizika ao dia antsoina hoe fizikan'ny tontolo avo angovo na afohezina hoe fizikan'ny avo angovo.

Vaovao: Toy ny isan-taona dia misokatra indray ny fandraisana mpianatra any CERN Jiona-Septambra. Ny FAA haitranga fanampy kajy (phenomenology and software) sy ny FAA haitranga teorika (phenomenology and theory) no handraisana ireo mpianatra avy @ firenena rehetra indrindra avy @ ireo firenena zandriny eo @ sehatry ny FAA. Raha ny fahalalako, ny i@HEP-MAD sy ny LPMR, miaraka @ fikarakaran'ny Sampana Fizika eto Ambohitsaina sy Pr Stephan Narison, no nifandimby nandefa mpianatra tany CERN nanomboka ny taona 2001 ka manodidina ny fimaodelina (simulation) sy fanomanana faminanina (prediction) tranga FAA no lohahevitra tena nifantohan'ireo mpianatra malagasy tany (jereo eto sy eto).
Tamin'ireo mpianatra sasany ireo, amin'izao fotoana izao dia:
Farany, anisan'ny hetsika FAA (mety) ho atrehan'ireo mpikaroka eto @ i@HEP-MAD @ ity taona ity ny velakevitra QCD 08 (jereo koa ny rohy FAA) izay karakarain'ny Pr Stephan Narison ary atao any LPTA-Montpellier. Tafiditra @ ireo laharana velakevitra QCD efa nanomboka t@ 1985 io velakevitra io; fihaoanana hizaran'ireo mpifizika FAA manokana momba ny tranga fizaka eo anivon'ireo vainga mamorona ny aty matiera (nucleon), izay hazavain'ny teorian'ny Fomba Fihetsika Voafatra ny Loko (F2VL) (Quantum Chromodynamics (QCD)) @ izao fotoana. Amin'ity taona ity dia hifantoka @ ireto lohahevitra ireto ny velakevitra:Tamin'ireo mpianatra sasany ireo, amin'izao fotoana izao dia:
- mpampianatra-mpikaroka ao @ LPMR-Antananarivo ny iray (Dr D. Randrianasoloharisoa),
- mpianatra dokotera FAA haitranga any University of Glasgowny iray (B. Rakotomiaramanana),
- mpianatra dokotera FAA haitranga any Institute for Nuclear Physics- Julich sady mpianatra-mpikaroka eto i@HEP-MAD ny iray (H.T. Randriamalala),
- ary mpianatra DEA eto @ i@HEP-MAD ny iray (F. Andrianala).
- ny lafiny fanandramana, hiresehana ny vokatra F2VL andrasana @ ilay fampifandonana vainga bitika LHC, ny fipotsahana vainga aty matiera toy ny kaona (kaon) sy ny mesona B (B meson), sns;
- ny lafiny teorika, hiresahana ny fandrosoan'ny F2VL, ny fifandraisana F2VL-Teorian'ny tady (string theory), ny F2VL haitranga, sns.
Ho an'ireo mpikaroka eto @ i@HEP-MAD dia fotoana hanatevenana ireo lohahevi-pikarohana sy hametrahana fifandraisana sy fiaraha-miasa @ ireo ivotoerana FAA hafa ny fanatrehana ny QCD 08. Ny fisian'ireo fitaovana FAA (fitaovam-panandramana, toera-pikarohana, vola) any ivelany dia manamora ny fikarohana ataon'ireo mpifizika FAA malagasy, izany hoe mampiteraka voka-pikarohana malaky raha oharina @ fikarohana eto an-toerana, ankoatra izay dia mampiseho ireo dingana sy fitsipika lehibe ahafahana manao FAA eto Madagasikara ihany koa toy ny famokarana teoria sy ny fifotorana @ fanandramana.
Vokatra (teorika) no resahina satria tiana asongadina fa mila mamokatra vao mahazo vola ary ny vola no fitaovana lehibe iray ahafahan'ny any ivelany mikaroka (jereo eto), ary ny fanandramana dia singa fototra @ FAA satria loharanon'ireo torohay ho an'ny teoria fizika, mampiavaka azy @ teoria matematika.

Amin'ny manaraka dia hiresaka vontoantom-pikarohana na fomba fiasa eo @ FAA.