Salama daholo.
Amin'izao taona vaovao izao dia faly miarahaba antsika rehetra ary mirary antsika hahatanteraka ireo andraikitra sy asa tokony hatao.
Ny lahatsoratra ho atao eto dia filazana vaovao @ ankapobeany.
HEP-MAD 07: Efa nivoaka teto t@ Zoma 21 desambra teo ny vakiraokan'ilay boky-velakevitra (proceedings) HEP-MAD 07, izay tsy mbola boky raikitra nohon'ny olana tekinika tamina lahatsoratra vitsivitsy. Marihina fa nohon'ny fisian'ireo mpitsara maharitra @ ireo velakevitra HEP-MAD sy ireo ao @ eConf SLAC, dia azo raisina ho voka-pikarohana (publication) iraisam-pirenena ireo lahatsoratra mivoaka @ ireo boky-velakevitra HEP-MAD. Ary nohon'ny fitakiana voka-pikarohana iraisam-pirenena @ ireo mpianatra fizika malagasy @ famenoany ny dokotora dia sehatra iray ahafahan'izy ireo mameno ny dokotorany ny fandraisany anjara ho mpandaha-teny (speakers) @ velakevitra HEP-MAD.
Ivotoerana i@HEP-MAD: Manana tranokala izao ny ivotoeram-pikarohana malagasy momba ny Fizikan'ny avo angovo sy ny fizikan'ny tontolom-be, izay notontonsain'ny mpanorina ny ivotoerana, Stephan Narison. Izany tranokala izany dia ahitana 1) fanolorana ny ivotoerana (ireo tompon'andraikitra, ireo asa fikarohana sy fanofanana,...) , 2) tohy vitsivitsy @ ireo tranokala mitana lahatsora-pikarohana toy ny Word Scientific, ary tohy @ tranokalan'ireo velakevitra HEP-MAD.
Izay no vaovao nisongadina tato ato; @ lahatsoratra manaraka dia hiezaka hanohy ireo lohahevitra napetraka tany aloha.Manamarika dingana vaovao ny fanomboahan'ny taona koa mamerina ny firarin-tsoa antsika hahatanteraka ireo fikasana mifanaraka @ tokony ho izy.